Alakamisy 16 Avrily 2026

Fa fahasoavana no namonjena anareo, amin’ny finoana ; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin’Andriamanitra ; tsy avy amin’ny asa, fandrao hisy hirehareha. Efesiana 2:8-9

 

Colbert

Colbert dia olom-panjakana niavaka. Nandray anjara lehibe tamin’ny fivoaran’i Frantsa izy, nandritra ny nanjakan’ny mpanjaka Louis XIV. Na izany aza anefa dia very zo teo anatrehan’ny mpanjaka izy, angamba vokatra fifanandrinana sy fialonana.

Rehefa nanakaiky ny fahafatesana izy, dia nampahafantarina fa nanontany imbetsaka vaovao momba azy ny mpanjaka. Namaly tam-pangidiana hono i Colbert hoe : „Aza resahina ahy intsony iny lehilahy iny ! Raha mba tamin’Andriamanitra no nanaovako ny nataoko taminy, dia tsy ho nitebiteby ny amin’ny famonjena ny fanahiko aho !”

Tahaka olona maro, dia nihevitra i Colbert fa raha mba nanam-potoana dia ho nahavita zavatra ampy hahazoany ny famelan-keloka avy amin’Andriamanitra sy ny famonjena ny fanahiny.

Toy izany koa, indray andro dia napetraka tamin’i Jesosy ny fanontaniana hoe : „Inona no hataonay mba hiasanay ny asan’Andriamanitra (asa maro) ?” Namaly Jesosy hoe : „Izao no asan’Andriamanitra (asa tokana), dia ny hinoanareo Izay nirahiny” (Jaona 6:29). Ny tadiavin’Andriamanitra amin’ny olona dia ny hiekeny fa mpanota meloka izy, ary ny hinoany an’i Jesosy… sy ny herin’ny asa fanavotana nataony teo amin’ny hazofijaliana.

Ny tenin’i Colbert dia mampiseho koa fa manenina izy, nanokana ny fiainany ho ana olona, ka nahavoa ireo zava-manan-danja momba an’Andriamanitra.

Aza miandry ny faran’ny fiainantsika vao hijery am-pinoana ny hazofijalian’i Jesosy, mba ho vita fihavanana amin’Andriamanitra.