Alarobia 15 Avrily 2026

Amin’ny maraina dia afafazo ny voanao… fa tsy fantatrao izay ho vanona. Mpitoriteny 11:6

Ny teninao no mamelona ahy. Salamo 119:50

 

Notsongaina tao amina taratasy nalefa (jona 2022)

Nanolotra ny fiainako ho an’i Jesosy aho, taorianan’ny namakiako takila iray tao amin’ny alimanaka Ilay Voa Tsara Nafafy.

7 taona lasa izay, ary nanoratako boky iray mikasika izany, nampitondraiko ny lohateny hoe : „Tanaty tsy fahombiazana lalina indrindra”. Ao amin’ny toko iray aho dia mitantara fa „sendra” nahita takila iray tavela tao anaty fiarandalamby. Izao no nosoratako tao amin’io toko io :

„Lasa eritreritra aho, nitombina teo amin’ny sezan’ny fiarandalamby sady nisento noho ny hasasarana… Nisy taratasy kely teo amin’ny moron’ny varavarankely, nisy teny ao amin’ny Baiboly hoe : „Izao tontolo izao kosa dia mipetraka eo amin’ilay ratsy avokoa” (1 Jaona 5:19). Hoy Jesosy : „Izaho no fahazavan’izao tontolo izao ; izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin’ny maizina, fa hanana ny fahazavan’aina” (Jaona 8:12).

Mbola tsy nahare ny amin’i Jesosy mihitsy aho, ary efa nadiva ho faty ; nihena be ny lanjako noho ny harerahan-tsaina tanteraka, fahalain-komana, harerahana vokatry ny fanatanjahantena…

Andriamanitra dia mampiasa amin-kery ny Teniny mba hamonjeny ireo fanahy very. Tohizo hatrany ny famafazana, fa sarobidy izany ! Aoka ny herinao hohavaozina ary ny fonao hitoetra isanandro eo akaikin’ny fon’ny Ray.

Nanomboka tamin’ny niovako fo aho dia namafy takelak’Ilay Voa Tsara Nafafy any amina toerana maro itondran’Andriamanitra ahy : eny ambony dabilio, any anaty fiarandalamby, any an-tendrombohitra, any amin’ny trano kely fialofana any an-tendrombohitra, sns.

Raha mba fantatr’ilay olona nametraka ilay takelaka sendra ahy tao anaty fiarandalamby mantsy ny fomba nitantanan’Andriamanitra azy sy ny hasarobidin’ny fankatoavany nanova ny fiainako, dia hankahery azy fatratra izany…”

Charlotte V.