Talata 14 Avrily 2026
Aza manahy na inona na inona ; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no hoentinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra, amin’ny zavatra rehetra. Ary ny fiadanan’Andriamanitra… hiaro ny fonareo sy ny hevitrareo ao amin’i Kristy Jesosy. Filipiana 4:6-7
Tian’Andriamanitra holazaintsika Azy izay rehetra mahavesatra ny fontsika : na olana kely na tebiteby mafy, na zava-manahirana indray andro na alahelo lalina, na zavatra ilaina isanandro na fanapahan-kevitra lehibe tokony horaisina. Ndao hitondra ny zavatra rehetra eo amin’ny Tompo : fahatafintohinana, teny nandratra, olana ara-bola, alahelo. Izay tsy sahintsika ambara, na amina namana aza, dia azontsika lazaina tsy amin-tahotra amin’Andriamanitra. Tsy hoe lehibe loatra Izy ka tsy miraharaha ny olana kely indrindra mahazo antsika, ary tsy manampoka Azy na oviana na oviana ny olana lehibe kokoa.
Ahoana no fivavaka ? Afaka mivavaka mitokana isika na miaraka amin’ny hafa, anaty fanginana na miteny mafy, mandohalika na eo am-pamiliana fiara, na raikitra eo am-pandriana… Petera dia nivavaka teny an-tampon-trano (Asan’ny Apostoly 10:9), Jona tany an-kibona hazandrano lehibe (Jona 2:2), Paoly teny ambony sambo navela hidona tamin’ny tany (Asa 27:21-41). Jesosy dia nivavaka tany an-tendrombohitra (Matio 14:23), nivavaka tao anatina saha iray talohan’ny nanomboana Azy teo amin’ny hazofijaliana… ary teo amin’ny hazofijaliana ihany koa, tanaty fijaliana izaitsizy (Lioka 22:41-42 ; 23:34).
Afaka mivavaka ho an’ny zavatra ilain’ny hafa ihany koa isika : ho an’ny marary, ho an’ireo izay mijaly, ho an’ireo izay enjehina noho ny finoany, ho an’ireo rehetra tsy manana an’i Jesosy ho Mpamonjiny, ho an’ny manampahefana mitondra antsika, ho an’ny mpanompon’Andriamanitra mitory filazantsara, ho an’ny ankohonantsika, ny mpiara-monina amintsika, ny mpiara-miasa amintsika… eny fa na ho an’ireo izay manisy ratsy antsika ihany koa aza (Lioka 6:28).
Ndao ho lehilahy sy vehivavy mitolona amin’ny alalan’ny vavaka, satria ny Andriamanitsika dia tia mamaly vavaka ny olony miresaka aminy.