Alatsinainy 13 Avrily 2026
Iza moa no miteny, ka dia mahatonga izany, raha tsy zavatra efa nodidian’ny Tompo ? Fitomaniana 3:37
Izay nanao ny zavatra rehetra … dia Andriamanitra. Hebreo 3:4
Andriamanitra tokana ihany [no] hendry. Romana 16:27
Indraindray Andriamanitra dia miteny amintsika amin’ny alalana zava-mitranga mitarika antsika hanontany tena : fahafatesana, aretina, fijaliana ara-batana na ara-toe-panahy aman-tsaina… Tsy kisendrasendra ireny zava-mitranga ireny, hoy ny andinin-tSoratra Masina etsy ambony. Araka izany, ny toejavatra izay heverina ho faran’izay ratsy, raha jerena etỳ ivelany, dia afaka manjary loharanom-pitahiana, eo am-pelatanan’Andriamanitra.
Ohatra omen’ny Baiboly antsika ny fiainan’i Josefa (Genesisy toko 37 hatramin’ny 50). Namidy ho andevo izy, ka tonga tany Egypta nanompo olona ambony. Avy eo, tamin’ny fotoana toa naha metimety kokoa ny toe-piainany, dia nendrikendrehina ho nanolana izy ka nogadraina. Na izany aza anefa, tsy mba nitaraina ny amin’ny zava-nanjo azy izy, ary natoky hatrany an’Andriamanitra, Izay niahy azy. Nafahana tokoa izy, ary nampiasain’Andriamanitra hiadidy am-pahendrena vanimpotoana tena sarotra nisiana mosary tany Egypta.
Araka izany, ao anatin’ireo fitsapana eo amin’ny fiainantsika, dia Andriamanitra tokoa no miasa. Tiany ny hampiaina antsika ny fitiavany sy ny heriny, amina fomba tena miavaka : fanohanana, fampiononana, tambitamby, fanafahana… Amin’izany ny kristiana dia afaka miaina ny teny mahafinaritra ao amin’ny Baiboly hoe : „Ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an’Andriamanitra, dia izay voantso araka ny fikasany rahateo… Kanefa amin’izany rehetra izany dia manoatra noho ny mpandresy isika, amin’ny alalan’Ilay tia antsika” (Romana 8:28, 37).