Alahady 12 Avrily 2026

Satria manana fatokiana hiditra ao amin’ny fitoerana masina isika, noho ny ran’i Jesosy… dia aoka isika hanatona amin’ny fo marina sy amin’ny fatokiana be avy amin’ny finoana. Hebreo 10:19-22

 

Tsy azo idirana

— Raha vao nanota i Adama sy Eva, ray aman-drenintsika voalohany, dia tsy maintsy noroahin’Andriamanitra hiala tao an-tsaha Edena. Dia nisy anjely nanakana ny fidirana ao, nampiseho hoe : „Tsy azo idirana” !

— Rehefa nitondra ny vahoaka hebreo hiala tany Egypta i Mosesy, dia niaraka tamin’izy ireo Andriamanitra. Nonina tao anatina lay Izy, tao amina faritra antsoina hoe ny „fitoerana masina indrindra”. Arona mpisoronabe irery ihany no nahazo niditra tao, indray mandeha isan-taona. Ho an’ny olona hafa rehetra kosa dia mbola hoe : „Tsy azo idirana” !

— Rehefa nasain’Andriamanitra niakatra tany an-tendrombohitra Sinay i Mosesy, mba hanomezany azy ny Lalànany ho an’ny vahoakany, dia nandidy Izy ny anisiana fefy manodidina tetỳ ambany, mba tsy hisy olona hanakaiky, sao maty. Izany dia hoe : „Tsy azo hatonina” !

— Tao amin’ny tempoly naorin’i Solomona ary naverin’i Heroda namboarina tamin’ny andron’i Jesosy, ny „fitoerana masina indrindra” dia nihidy tamina efitra lamba mirefy dimy metatra ny haavony. Teo koa, afa-tsy ho an’ny mpisoronabe ihany, izay niditra tao indray mandeha isan-taona, ho an’ny olona hafa dia mbola hoe : „Tsy azo idirana” !

Ny ota no sakana tanteraka eo amin’Ilay Andriamanitra masina sy ny olona mpanota… Izany no tsy nahafahan’ny olona nanatona an’Andriamanitra.

Fa rehefa maty kosa Jesosy, dia triatra nizara roa hatrany ambony ka hatrany ambany ny efitra lamba izay nanakana ny fidirana mankao amin’ny fitoerana masina indrindra (Marka 15:38). Koa tsy olona izany no nandriatra azy, fa Andriamanitra mihitsy. Io efitra lamba triatra io dia mampahatsiahy ny sorona nataon’i Kristy, ny fijaliany ary ny fahafatesany. Izany no saran’ny fahazoan’ny olona mpanota manatona an’Andriamanitra nanomboka hatreo, noho ny ran’i Jesosy !

Afaka manatona an’Andriamanitra am-piadanana sy am-patokiana ny mpino, „amin’ny fatokiana be avy amin’ny finoana” (Soratra Masina voalaza etsy ambony).