Asabotsy 11 Avrily 2026
Arovy aho, Andriamanitra ô, fa mialoka aminao aho. Salamo 16:1
Nisy tafiodrivotra mahery, ary nianjerazeran’ny alondrano ny sambokely, ka nila ho feno rano. Ary Jesosy natory teo am-bodin’ny sambokely tambonin’ny ondana. Marka 4:37-38
Nifofofofo mafy ny tafiotra, feno rano sahady ny sambokely, ka efa ho rendrika tampoka. Nikorontana tanteraka ny mpianatr’i Jesosy. Fa Izy kosa natory tam-pilaminana teo ambodin’ny sambokely, tambonina ondana. Ahoana no ahafahany matory ?
Ny tsiambaratelon’ny fitoniany, sy ny „ondana” nampandriany ny lohany, dia ny fatokiany Ilay Andriamaniny. Tsy tandindomin-doza ny ainy noho ny tafiotra mamely mafy, satria eo am-pelatanan’Andriamanitra Izay miaro Azy ary „tsy matory na rendrehana” na oviana na oviana (Salamo 121:4). Jesosy dia mahafantatra an’Andriamanitra, miantehitra amin’ny fitiavany sy ny heriny ary ny fahendreny, ho an’ireo izay matoky Azy. Izany no mandrafitra ity „ondana” nampandrian’i Jesosy ny lohany ity, na dia efa mila ho rendrika aza ny sambokely. Natory Izy, ary Izy irery tokoa no natory !
Nefa nofohazin’ny mpianatra Izy, ary nomen’izy ireo tsiny satria toa tsy niraika. Nisalasala ny aminy izy ireo : nanadino azy ireo ve Izy ? Rehefa nifoha Jesosy dia nandidy ny rivotra sy ny ranomasina hangina, ka dia nanaiky Azy teo no ho eo ireo.
Hiteny angamba ianao hoe afaka natory Jesosy satria mahafantatra fa manana fahefana hampitony ny tafiotra ? Nefa ny mpianany, noho ny tsy finoan’izy ireo, no nahatonga Azy hampiasa io fahefany araka ny maha Zanak’Andriamanitra sy Mpahary Azy io. Afaka tamin’ny tebitebiny ireo mpianatra, ary nahare Azy niteny hoe : „Nahoana no saro-tahotra ianareo ? Tsy mbola manam-pinoana va ianareo ?”
Ho an’i Jesosy dia ny fatokiany tanteraka Ilay Andriamaniny no nahafahany ho tony tao anaty toejavatra toy izany.