Zoma 10 Avrily 2026
Jehovah ô… Ianao no manjaka amin’izao rehetra izao ; eo an-tànanao ny hery sy ny tanjaka. 1 Tantara 29:11-12
Aoka ny ratsy fanahy hahafoy ny làlany, ary ny tsy marina hahafoy ny heviny ; ary aoka hiverina ho amin’i Jehovah ireny, fa hamindra fo aminy Izy, eny… fa hamela heloka dia hamela heloka tokoa Izy. Isaia 55:7
Nanome baiko ny kapitenin’ny „Titanic” hanangona ny mpandeha ho eo an-tokotanin-tsambo. Tamin’ny iray latsaka fahefany maraina dia nampidinina ny lakan’aina voalohany, nefa zara raha feno antsasany, satria mbola tsy nino ny faharendrehana ny mpandeha. Saingy nihatsapa ny loza, ka nahonena tsy hay lazaina ny saritaka nateraky ny fisarahana ! 2 ora sy 10 minitra maraina : nitsoka ny fihirana „Andriamanitro ô ! akaikinao bebe kokoa…” ny mpitendry zava-maneno. Efa nisandratra nivoaka ny rano ny lohan’ny „Titanic”. Avy eo izy dia nivaky roa teo afovoany. Folo minitra taorianan’izany dia nilentika tany anaty rano izy, ka tsy re intsony ny kiakiakan’olona 1500 ! Mbola mahontsa antsika mandraka ankehitriny ny fahorian’izy ireo.
Ny tantaran’ny „Titanic”, tena miavaka, dia mampiharihary ny avonavon’ny olombelona. Ny olona, izay manan-tsaina, hendry, matanjaka, dia mihevitra ho mahafehy ny zava-drehetra noho ny fahaiza-manaony. Tsy ho hainy ve ny handamina samirery ny zava-manahirana azy ? Izany dia tahaka fihaikany an’Andriamanitra, mihoatra noho ny fihaikany ny voary aza.
Koa mampahatsiahy Andriamanitra fa Izy no Andriamanitra, Ilay Mpahary, velona, mahery (Soratra Masina androany). Tsy misy eo amin’ny toejavatra mahazo ny olombelona, na vintana tsara na vintana ratsy. Andriamanitra, Izay feno fiandrianana, no mifehy izao rehetra izao. Indraindray Izy dia mamela loza hitranga, mba hiverenantsika aminy, satria Izy dia fitiavana, ary „tia ny olona rehetra hovonjena” (1 Timoty 2:4). Atolony ho an’ny olona rehetra ny famonjena sy famelan-keloka ao amin’i Jesosy Kristy.
Ndao àry hitoetra am-panetrentena eo anatrehan’Ilay Mpahary antsika. Ndao hihaino ny feony ary hihevitra ireo fampitandremany. Tsy manome fe-potoana adiny roa sy sasany mandrakariva tsy akory Izy ! Hoy Andriamanitra : „Koa amin’izany miambena ianareo, fa tsy fantatrareo na ny andro na ny ora” (Matio 25:13).
(tapitra)