Alakamisy 9 Avrily 2026
Ny fiavonavonana mialoha ny fahasimbana, ary ny fanahy mirehareha mialoha ny fahalavoana. Ohabolana 16:18
Misy fanao iray itenenan’Andriamanitra, eny, fanao roa aza, nefa tsy tandreman’ny olona izany. Joba 33:14
Ny „Titanic”, sambo lehibe tena raitra, dia nalaza ho tsy mety rendrika, hany ka vitsy ny isan’ny lakana vonjy aina nomanina tao aminy, ary mpandraharaha diamondra maro no nanankina taminy ny fitaterana harena tsy hita pesipesenina. Nahafahany mandeha mihoatra noho ny hafainganam-pandeha mafy indrindra ireo miliny tena mahery. Nisy tao ny filaminana azo antoka, ary koa ny zava-mampiadana : efitrano manokana tena mirenty, efitrano fandraisam-bahiny maro, efitrano lehibe fanaovana fampisehoana, tena lapa mitsingevana mihitsy !
Nampoizina ho fahombiazana tanteraka ny fiampitana voalohany ny ranomasimbe Atlantika. Noraiketina ho ny 10 avrily 1912 ihany ny fiaingana, na nisy fampitandremana aza ny amin’ny loza mety hateraka bolongamben-dranomandry mitsinkafona. Olona 2200 no niantsambo, nisy olo-malaza maro. Niezaka ny kaompaniam-pitaterana mba ho fety tsy tapaka io fiampitana io.
Nifarana tao anaty hafaliampo ny harivan’ny 14 avrily. Nisosa faran’izay haingana ny sambo, na nisy ranomandry aza. Tony ny ranomasina, namanala, —1°C. Tamin’ny 12 ora alina latsaka fahatelony dia naneno intelo ny anjomara fanairana, ary niantsoantso ilay mpiambina hoe : „Bolongamben-dranomandry io anoloana io !” Nezahina ny nivily lalana, nefa tsy nisy nantenaina. Tara loatra ! Nihontsona kely ny sambo, „toy ny hoe nisy rantsantanana goavambe nikasika ny sisin’ny sambo tamin’ny halavany manontolo”, hoy ny olona iray voavotra. Taoriana-na fotoana fohy nahataitra, dia nanohy nisosa tam-pahamendrehana ny sambo, nitohy indray ny fety, nefa ny rano efa nibosesika niditra tao anatin’ny sambo, nahatratra dimy taonina isan-tsegondra.
Tamin’ny misasakalina sy dimy minitra, niaiky ny kapiteny Edward Smith hoe nitranga ny noheverina ho tsy hisy mihitsy : rendrika ny „Titanic” !
(hitohy)