Alarobia 8 Avrily 2026

Rehefa nampitenenin’Andriamanitra tamin’ny razana fahiny ny mpaminany, tamin’ny andro samihafa sy ny fanao samihafa, dia amin’izao andro farany izao kosa no nampitenenany tamintsika ny Zanany. Hebreo 1:1-2

Ary mbola nanana anankiray izy, dia ny zanany lahy malalany, ka nony farany dia naniraka azy hankany aminy. Marka 12:6

 

Mihoatra lavitra noho ny mpaminany

Tsara vakina : Matio 17:1-8

Taloha kelin’ny nahafatesany, Jesosy dia niakatra tany an-tendrombohitra niaraka tamina mpianatra telo lahy. Namirapiratra tahaka ny masoandro ny tavany, ny akanjony fotsy tahaka ny mazava. Niseho teo i Mosesy sy Elia, ary niresaka taminy momba ny hahafatesany tsy ho ela (Lioka 9:31). Talanjona tamin’izany voninahitra izany i Petera, ka nanolo-kevitra hanorina lay telo teo : ny iray ho an’i Jesosy, ny iray ho an’i Mosesy, ary ny iray ho an’i Elia. Nampitoviny laharana amin’ireo mpaminany roa fahiny Jesosy. Nefa niditra an-tsehatra avy hatrany Andriamanitra Ray. Hoy Izy : „Ity no Zanako malalako, Izay sitrako ; Izy no henoy”. Tsy azony ekena ny ametrahana ny Zanany hitovy laharana amin’i Mosesy sy Elia, na olona ambony toy inona aza izy ireo !

Misy antokom-pivavahana manaja fatratra an’i Jesosy, ary mihevitra Azy ho mpaminany lehibe miavaka. Nefa amin’izany izy ireo dia manetry ny voninahiny manokana, ny voninahitra maha Zanak’Andriamanitra Azy. Ambaran’ny epistily ho an’ny Hebreo (Soratra Masina androany) fa tapitra ny fotoana nitenenan’Andriamanitra tamin’ny vahoakany tamin’ny alalan’ny mpaminany. Ankehitriny kosa Andriamanitra dia miteny mivantana amin’ny olona rehetra, ao amin’i Jesosy Zanany.

Nilaza Jesosy fa i Jaona Mpanao Batisa, ilay mpialoha lalana Azy, dia „mihoatra lavitra noho ny mpaminany” (Matio 11:9). Raha tondroina ho izany ilay nanamboatra ny lalan’ny Tompo, inona mihitsy ny amin’Ilay Mesia nambarany mialoha ? Misy fanoharana iray manamafy fa Jesosy no Ilay fara hafatra’Andriamanitra ho an’ny olona (Soratra Masina androany). Koa tsy avy amin’Andriamanitra ireo izay mihambo ho mitondra fanambarana famenony, na mifanohitra amin’ny hafatra entin’i Jesosy.