Talata 7 Avrily 2026
Ny filazantsara [dia] herin’Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino. Romana 1:16
Izay rehetra mino… samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra, nefa hamarinina maimaimpoana amin’ny fahasoavany izy, noho ny fanavotana izay ao amin’i Kristy Jesosy. Romana 3:22-24
Ireo toko voalohany ao amin’ny epistily ho an’ny Romana dia maneho ny Filazantsara, ilay vaovao mahafaly miantefa amin’ny olona tsirairay. Manoritsoritra seho iray tena manetriketrika ny apostoly Paoly, dia ny tribonaly itsaran’Andriamanitra, isehoana karazan’olona telo mifanesy voampanga. Voalohany, ilay niaina tsy niraharaha ny Mpahary azy (Romana 1:18-32) ; manaraka izany, ilay sakaizan’ny fahendrena (Romana 2:1-16), toy ny Grika ; ary farany, olona iray jiosy fiaviana, manana ny tombontsoa rehetra (Romana 2:17-3:20).
Mandritra io fitsarana io Andriamanitra dia manontany ny tsirairay hoe : „Nataonao inona ny zoko ? Inona no haja nomenao ny anarako ?” Na eo ambanin’ny lalànan’i Mosesy ny olona na tsia, dia miseho mandrakariva ho mpikomy na tsy mankatò, ka izao fitakiana fampiharana izao no mivoaka, mazava tsara, tsy azo ialana : „Tsy misy marina, na dia iray akory aza” (Romana 3:10). Koa meloka eo anatrehan’Andriamanitra ny olona rehetra, ary mendrika ny famaizany. Sarotra ekena izany : io olona voaheloka io dia izaho, ianao, ary ara-drariny ny didim-pitsarana avoakan’Ilay Mpitsara faratampony.
Nefa ny setrin’io didim-pitsarana maloka io dia tara-pahazavana mahatalanjona, tara-pahazavan’ny voninahitr’Andriamanitra : mamindra fo Andriamanitra. Hitany mihitsoka anaty toerana tsy misy fanafana ny olona, ka omeny vahaolana (Romana 3:24-26). Ao amin’ny hazofijalian’i Kristy ny fanalahidy : lavorary ny sorona fanavotana nataony ary manan-danja ny fanonerana vitan’ny rany, „mba ho marina Izy (Andriamanitra) sady hanamarina izay manana finoana an’i Jesosy”. Izany no nataon’ny fahasoavany ho ahy. Tena vaovao mahafaly izany ! Na iza na iza mandray izany amin’ny fibebahana sy finoana, dia mahazo famelan-keloka feno.