Alatsinainy 6 Avrily 2026
[Maria] nahita an’i Jesosy … Hoy Jesosy taminy : Ravehivavy, nahoana ianao no mitomany ? iza no tadiavinao ? Nataony fa mpiandry saha Izy, ka hoy izy taminy : Tompoko, raha Ianao no naka Azy teto, lazao amiko izay nametrahanao Azy, ary izaho dia haka Azy. Hoy Jesosy taminy : Ry Maria ! Dia nitodika izy ka niteny taminy nanao … hoe : Rabôny ! izany hoe : Mpampianatra ô. Jaona 20:14-16
Nanomboka tamin’ny nanafahan’i Jesosy an’i Maria Magdalena tamina demonia fito (Lioka 8:2), dia nifikitra mafy tamin’i Jesosy i Maria. Rehefa nohomboana teo amin’ny hazofijaliana Izy, dia isan’ireo namana vitsy nanatrika teo i Maria (Jaona 19:25). Ny marainan’ny Paska dia izy no voalohany nahita ny fasana efa foana. Noheveriny fa nisy namindra ny fatin’i Jesosy, ka nitomany izy.
Efa nahazo antsika ve izany mitomany vao maraina izany ? Mahita antsika sy mahafantatra antsika anefa Jesosy. Nanatona an’i Maria Izy, niantso azy, ary nanontany hoe : „Nahoana ianao no mitomany ? iza no tadiavinao ?” Indraindray isika dia mitomany satria tsy „mitady” ilay olona tandrify. Jesosy efa maty no notadiavin’i Maria, nefa Izy velona no te hiseho aminy. Noheveriny ho ilay mpiandry saha Izy, ka nantenainy hoe mahalala momba ny tsy nahitana ny faty.
Matetika ny Baiboly no miresaka saha amintsika. Tamin’ny fahariana izao rehetra izao, Andriamanitra dia nanamboatra saha iray tany Edena, mba hametrahany ny olona (Genesisy 2:8). Nisy sary-na voninkazo maneho saha feno zavamaniry mirobona (lilia, ampongabendanitra ary voatango) nandravaka ny tempolin’Andriamanitra (1 Mpanjaka 7:16-24). Nankao an-tsaha Getsemane matetika Jesosy, mba hivavaka. Teo amin’ny hazofijaliana Izy dia nanome fotoana any am-paradisa („saha”) an’ilay jiolahy nibebaka. Tao anatina saha iray Izy no nalevina.
Ilay noheverin’i Maria ho mpiandry saha dia niantso azy tamin’ny anarany. Fantatr’i Jesosy ny anarako ! Tsy olona mitondra mari-daharana fotsiny aho, fa olona mahaliana Azy ! Nahafantatra Azy i Maria ka nanaja Azy, araka ny maha Tompony Azy. Dia nampahafantarin’i Jesosy an’i Maria ny fifandraisana vaovao eo amintsika sy ny Rainy, Izay nanjary Raintsika ihany koa.
Isika ve mba efa nandray manokana an’i Jesosy Kristy ho Ilay Nitsangana velona indray ? ho Ilay Mpamonjintsika ?