Alahady 5 Avrily 2026
Efa natsangana tamin’ny maty tokoa Kristy. 1 Korintiana 15:20
Efa nitsangana marina tokoa ny Tompo. Lioka 24:34
Fitsanganana velona indray
Vao maraina be, ny alahadin’ny Paska, dia nisy vehivavy vitsivitsy mbola tanaty fisaonana, niditra tao an-tsahan’i Josefa avy any Arimatia. Nanatona ny fasana nametrahana tam-panajana tanteraka ny fatin’ny Tompo Jesosy, ny zoma talohan’izao, izy ireo. Nitondra zavamanitra mba hanosorana Azy izy ireo. Izany no noheveriny hanehoana farany ny fanajany sy fitiavany Azy.
Nefa endre ! Taitra izy ireo, satria voakodia ny vato mavesatra nanampina ny fidirana ao amin’ny fasana, ary tsy tao intsony ny fatin’i Jesosy.
Tampoka teo, nisy anjely mamirapiratry ny hazavana niseho teo amin’izy ireo, ary nanambara taminy hoe tsy ao intsony Izy fa efa nitsangana, ary velona (Lioka 24:1-8).
Vaovao mampitolagaga ! Niseho ny tranga lehibe indrindra teo amin’ny tantaran’izao tontolo izao : nivoaka avy tao amin’ny haizina sy ny fahafatesana Kristy, ho eo amin’ny hazavan’io maraina feno voninahitra io. Nitsangana velona indray Izy. Nopotehiny ny rojom-patorana ara-toe-panahy mamatotra antsika, resiny ny fahefan’ny devoly —ary izany rehetra izany dia tao amin’ny hery-na fiainana mandrakizay.
Foana ny fasana ! Ndao hibanjina ny Kristy nitsangana velona indray, Jesosy Izy tenany mihitsy, Ilay Velona.
Ny Tompo Jesosy dia tsy foto-pampianarana, tsy fanahy, tsy foto-kevitra, tsy zavatra foronin’ny saina, tsy fironana mahataona. Izy no Ilay Kristy velona, any an-danitra eo ankavanan’Andriamanitra !
Anao ny voninahitra, ry Ilay nitsangana velona indray !
Anao ny fandresena ho mandrakizay.