Asabotsy 4 Avrily 2026
[Jesosy] nanao taminy hoe : Fantatrareo va izay nataoko taminareo ? Ianareo manao Ahy hoe Mpampianatra sy Tompo ; ary marina ny filazanareo, fa izany tokoa Aho. Koa raha Izaho, Tompo sy Mpampianatra aza, no nanasa ny tongotrareo, ianareo kosa mba tokony hifanasa tongotra. Jaona 13:12-14
Tany amin’ny tany Atsinanana fahiny, ny fanasana ny tongotry ny vahiny nasaina dia fihetsika mahazatra anamarihana fandraisana sy fanajana, fihetsika ataona andevo iray, na indraindray, ataon’ny tompon-trano. Izany koa dia fanadiovana tsotra fotsiny ny tongotry ny vahiny tamin’ny vovoka teny an-dalana. Tamin’ny hariva farany niarahan’i Jesosy tamin’ny mpianany dia Izy mihitsy no nanasa ny tongotr’izy ireo (Jaona 13:12-17). „Fantatrareo va izay nataoko taminareo ?” hoy Izy nanontany azy ireo ; dia nohafatrafariny izy ireo hoe : „Ianareo kosa mba tokony hifanasa tongotra”. Takatsika ny nataon’i Jesosy ho antsika, rehefa ataontsika amin’ny hafa ihany koa. Dia ho tsapantsika kokoa ny fitiavany, ny fietreny, ny hamorampony, amin’ny fipetrahantsika eo an-tongotr’ireo mpiara-belona amintsika, mba hanao aminy ireo fikarakarana ilaina.
Hoy koa Jesosy nanohy : „Fianarana no nomeko anareo, mba hanaovanareo araka izay nataoko taminareo”. Ny teny hoe „araka” dia midika hoe „toy”. Ny fihetsika ataontsika am-pitiavana dia manovo hery ao amin’izay nataon’i Jesosy tamintsika.
Ny fanasana ny tongotry ny mpianatra dia marika fihetsika ara-panahy, fandraisana, famelombelomana ara-toe-panahy, fanadiovana. Amin’izany hevitra izany Jesosy dia „manasa ny tongotsika” androany. Ataony amin’ny alalan’ny Fanahiny izany, rehefa mamaky ny Baiboly isika, ny Baiboly izay mampianatra antsika hitondra tena toa Azy, am-pahadiovampo, eto amin’ity tontolo voaloto ara-toe-panahy ity. Ampiasainy koa ny rahalahy sy anabavintsika kristiana ho amin’izany tanjona izany, amin’ny fanampiana ara-panahy ataon’izy ireo.
„Hanaovanareo araka izay nataoko taminareo”. Amin’ny fomba ahoana moa ? amin’ny fo sy fieritreretantsika voadion’ny Tenin’Andriamanitra, amin’ny fakantsika io toerana marihin’ny fitiavana, famelan-keloka, fanetrentena ary fanompoana io, manara-dia an’i Jesosy.