Zoma 3 Avrily 2026
(Hoy ny apostoly Paoly :) Nefa tsy ataoko ho zavatra akory ny aiko, mba hahavita ny alehako, dia ny fanompoana izay noraisiko tamin’i Jesosy Tompo hanambara ny filazantsaran’ny fahasoavan’Andriamanitra. Asan’ny Apostoly 20:24
Pandita Ramabai dia teraka tany India tamin’ny taona 1858. Ny rainy, pretra biramanina, dia maty tao anatin’ny fahantrana tanteraka. Talohan’ny nahafatesany izy dia nampianiana io zanany vavy io tsy hiala mihitsy amin’ny fivavahana hindoa. Nefa rehefa tonga tany Calcutta i Pandita, mbola tovovavy, dia nisalasala mafy momba ny fandairan’ny sampy, ary tamin’izay indrindra izy no nandre resaka momba an’i Jesosy.
Nony farany, tamin’ny diany niampita ranomasina noho ny fianarany, dia niova fo ho an’i Kristy izy. Rehefa niverina tany India izy dia naniry hanangana akany maro ho an’ny „zazavavy maty vady”. Matetika tokoa mantsy any no misy lehilahy manambady zazavavy mbola tanora kely. Rehefa maty ny vadiny dia tafalatsaka anaty fahantrana lalimbe izy ireny. Noho izany izy dia nanokatra misiona nomeny anarana hoe Mukti, midika hoe „famonjena, fanafahana”. Tao anatin’ny fotoana fohy dia „zazavavy maty vady” sy kamboty an-jatony no nahita tao, fialofana, hanina, asa fivelomana, ary famonjena ao amin’i Jesosy Kristy. Taorianan’izany dia nisy sekoly naorina sy fiangonana natsangana. Ampirisihin’i Pandita hivavaka ny zazavavy tsirairay, mba hamonjena tanora folo eo amin’ny manodidina azy.
Satria sarobidy teo amin’ny fiainan’i Pandita ny Tenin’Andriamanitra, dia nadikany tamina teny indiana iray mbola tsy nisy fandikana ny Baiboly. Rehefa niasa nanao izany dikateny izany izy nandritra ny taona maro, dia narary mafy. Nitalaho tamin’ny Tompo izy mba ho afaka mamita io asa napetraky ny Tompo tao am-pony io. Tamin’ny faramparan’ny volana marsa 1922 izy dia nangataka tamin’ny Tompo mba mbola homeny folo andro iainana. Folo andro tatỳ aoriana, ny 5 avrily 1922, dia nahavita ilay asany izy, ary nandry tam-piadanana tao amin’ny Tompony.