Alakamisy 2 Avrily 2026
Ataovy ny zavatra rehetra, amin’ny tsy fimonomononana sy ny tsy fisalasalana, mba ho tsy manan-tsiny sady tsy misy fitaka ianareo, dia zanak’Andriamanitra tsy manana adidy eo amin’ny firenena meloka sy maditra, izay isehoanareo tahaka ny fanazavana eo amin’izao tontolo izao. Filipiana 2:14-15
Manohina mandrakariva ny mibanjina lanitra mazava, amin’ny alina. Ny kintana tsy hita isa dia maneho ny hery mandrakizain’Ilay Mpahary. Fahiny ireny kintana ireny dia nahafahana mahafantatra ny zotra tokony haleha, indrindra amin’ny dia eny an-dranomasina.
Ao amin’ny andininy etsy ambony, ny zanak’Andriamanitra dia oharina amina jiro mampamiratra ireo hazavany eto amin’izao tontolo izao, mba hampahafantatra ny mpiara-belona aminy zavatra momba ny fihevitr’Andriamanitra. Asehontsika izany, tsy amin’ny tenintsika fotsiny, fa indraindray koa amin’ny fanginantsika na ny fihetsika ataontsika. Mahazo anao angamba ny tsy mahita fomba hanambarana ny finoanao. Nefa na tsy miteny aza ianao, dia afaka mijoro koa ho vavolombelona :
— mampiseho, amina fihetsika andavanandro milamina, fa izay manentana anao dia any ambonin’ny zava-mitranga etỳ ivelany,
— manapa-kevitra hanokana ampahany kely amin’ny fotoananao isanandro hivavahana ho an’ny hafa,
— mizaka ireo teny manindrona ataon’ny mpiara-miasa aminao, izay maneso ny finoanao,
— mizaka am-paharetana ny lafiratsin’ny taona mandroso, ary mbola mijery am-pitiavana ny hafa,
— manokana ny herinao sy ny fotoananao hanampiana olona osa, manirery, marary,
— manaiky hoe avy amin’Andriamanitra ireo fangirifiriana manokana, ary miaritra ireo fa tsy manilika amin’ny hafa ny andraikitra nahatonga ireo,
— tsy manary toky, na inona na inona toejavatra iainanao.