Alarobia 1 Avrily 2026
Fa izay rehetra nandray Azy (nandray an’i Jesosy) dia nomeny hery ho tonga zanak’Andriamanitra, dia izay mino ny anarany. Jaona 1:12
Tsy menatra ny filazantsara aho ; fa herin’Andriamanitra ho famonjena izay rehetra mino izany. Romana 1:16
„Izaho dia afaka nikarakara an’i Graciana, vehivavy 90 taona. Notapahina ny tongony satria nisy lo. Isamaraina aho dia tsy maintsy manarina azy sy mametraka azy eo ambony seza misy kodiarana ; ny hariva aho dia miverina indray mampandry azy. Izany no asako isanandro, nandritra herinandro maro nifandimby. Falifaly lalandava izy, ka nahafinaritra ny nikarakara azy isanandro.
Matetika aho no nanandrana niresaka taminy momba ny Tompo Jesosy, nefa sahirana izy nifantoka amin’izay lazaiko. Koa nanoro ahy fomba mahomby kokoa noho ny teny ny Tompo. Nametrahako Testamenta Vaovao vaventy soratra sy alimanaka Ilay Voa Tsara Nafafy (toy ity vakinao ity) teo amin’ny latabatra kely teo an-dohafandrianany.
Nanomboka namaky ny takila isanandro i Graciana. Avy eo izy nitady tao amin’ny Testamenta Vaovao ireo teny voatondro ao. Arakaraka ny namakiany dia nosoratany ny fanontaniany, ary nomeny ahy.
Noho ny fahasoavan’Andriamanitra dia mbola afaka nampiasa ny sainy izy, nandritra ny fotoana lavalava, ka afaka nahatakatra fa nanjary zanak’Andriamanitra, satria nino izay novakiny tao amin’ny Tenin’Andriamanitra.
Enin-taona no nikoriana, talohan’ny nandehanany ho any amin’ny Tompo. Enin-taona feno fifaliana sy fiadanana, satria nahafantatra an’i Jesosy Ilay Mpamonjy izy.”
Nahafinaritra ny zavatra niainan’i Graciana, nefa tsy miavaka amin’ny rehetra. Ianao koa dia afaka mamaky ny Baiboly, mba hahita io fifaliana lalina hoe an’i Kristy io.