Talata 31 Marsa 2026
Katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany. Matio 6:33
Efa nataoko teo anoloanao ny fiainana sy ny fahafatesana, ary ny fitahiana sy ny fanozonana ; koa mifidiana ny fiainana, mba ho velona ianao. Deoteronomia 30:19
Anikeheo maraina ny mpizara taratasy dia nirary soa ho ahy noho ny taom-baovao, sady nanindry manokana hoe : „Ary indrindra, mirary fahasalamana… io no tena zava-dehibe !”
Impiry moa isika no nahare hoe : „Ny fahasalamana, io no zava-dehibe indrindra !” Marina tokoa fa tombony lehibe ny hoe salama tsara, nefa ve tsy mbola misy zava-dehibe kokoa noho izany ? Fahasalamana tsara ve, ampy hahatanteraka ny filan’ny fanahin’olombelona ? Mila fatokiana, fahatoniana, fahazoana antoka ny fanahin’ny olona, nefa tsy manome izany antsika ny tontolo iainantsika. Milamina ve ny saintsika rehefa mieritreritra ny fahafatesana ? Ny Baiboly dia mampahalala antsika hoe tsy maintsy miverina amin’ny vovoka ny vatantsika, fa ny fanahy, ilay ampahany tsy hay tsapain-tanana, dia hiverina amin’Andriamanitra, Izay nanome iny (Mpitoriteny 12:7). Koa tsy mifarana eo amin’ny fahafatesana izany ny zava-drehetra, ka taomin’Andriamanitra isika hijery any ambadiky ny ankehitriny, any ambadiky ny hita maso, any ankoatra ny zavatra rehetra afaka ho takatry ny saintsika samirery…
Efa vita fihavanana amin’Andriamanitra, rehefa hihaona aminy : tsy izany ve no tena zava-dehibe fototra ? Ny finoana ny Tompo Jesosy, „Izay natolotra noho ny fahadisoantsika, ka natsangana indray ho fanamarinana antsika” (Romana 4:25), dia manome toky ny mpino fa voaaro amin’ny fitsarana izy ireo, ary manana fiainana mandrakizay.
Ndao hiaina isanandro amin’ny fatokiana Ilay Andriamanitra tia antsika, miahy antsika, manomana ny ampitsontsika, ary mampiara-miasa ny zavatra rehetra hahasoa antsika (Romana 8:28).
Tia antsika Jesosy, ary te ho Mpamonjintsika, te hiaraka amintsika isanandro isanandro, eo amin’ny fiainantsika… ary any ankoatra ihany koa !
Dia hanjary „zava-dehibe indrindra” ho an’ny tsirairay io fombàn’i Jesosy sy fitiavany io !