Alatsinainy 30 Marsa 2026
(Hoy Jesosy :) Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona. Matio 24:35
Fa iza no sahy hanao ny ainy ho antoka ka hanatona Ahy ? hoy Jehovah. Jeremia 30:21
Hay atao ve ny mbola hino an’i Jesosy Kristy, 2000 taona mahery atỳ aorianan’ny nahaterahany ? Hay atao ve ny mbola hanana fahazoana antoka hisiana hoavy tsara kokoa, nefa toa mirodana avokoa ny zava-drehetra manodidina antsika ? Afaka manindry ny filana ara-toe-panahin’ny olona ve isika, nefa izao tontolo izao dia mametraka alohan’ny zava-drehetra, lamina hanomezana fahafaham-po ny filany ara-nofo ? Mbola misy heviny ve ny teny hoe „ota”, nefa ny fitsipi-pitondrantena dia toa mifototra amin’ireo fitsapana hevitry ny olona ?
Mbola ahitana valiny mitombina hatrany ireo fanontaniana ireo, ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, Teny mandrakizay, voasoratra ao amin’ilay Boky tsy mba mety lany andro.
Ny finoana kristiana tsy akory dia tsy fialofana ho an’olona osa na manina ny lasa, fa zavamisy kosa eo amin’ny fiainana lehilahy sy vehivavy maro, na tanora na efa zokinjokiny. Miatrika ireo zava-mitranga mampalahelo eto amin’izao tontolo izao ireo olona ireo, nefa matsilo maso koa, mijery ny toetra maha mpanota azy ireo. Dia mitoky amin’Andriamanitra izy ireo, momba ny hoaviny eto an-tany sy ny hoaviny mandrakizay.
Ankoatra izany, ny finoana dia tsy hoe fahazavam-panahy nirotsaka tamina olona sasantsasany nomena tombontsoa manokana, fa fanekena am-pahatsiarovan-tena ny hafatra milaza ny fitiavan’Andriamanitra ary miantefa amin’ny olona rehetra. Izay mamaly manokana hoe „eny”, mino an’i Jesosy Kristy, dia mahafantatra ny tena toerana misy azy eto an-tany… sy any an-danitra.
„Izaho”, hoy Jesosy, „no làlana sy fahamarinana ary fiainana” (Jaona 14:6). Efa mizotra amin’io lalana io ve ianao ?