Alahady 29 Marsa 2026
Kristy hiaritra ka hitsangana amin’ny maty amin’ny andro fahatelo ; ary mba hotorina amin’ny anarany ny fibebahana sy ny famelan-keloka amin’ny firenena rehetra, manomboka eto Jerosalema. Lioka 24:46-47
Ambaran’ireo filazantsara fa nitsangana velona indray Jesosy Kristy tamin’ny „andro voalohany amin’ny herinandro”. Io andro mahatalanjona io, alahady voalohany, no misantatra vanimpotoana vaovao, ny vanimpotoana kristiana. Tsy Ilay nizotra nanatona ny hazofijaliana intsony Jesosy, fa Ilay nandresy ny fahafatesana, Ilay Olona nitsangana velona indray.
Tamin’io andro io ihany, teo anilan’ny fasany Izy dia nihaona tamina vehivavy iray nitomany. Nantsoiny tamin’ny anarany io vehivavy io, nampiononiny, ary nanankinany hafatra manohina indrindra, milaza fanantenana, hoe : „Miakatra ho any amin’ny Raiko sy ny Rainareo Aho, ary ho any amin’Andriamanitro sy Andriamanitrareo” (Jaona 20:17).
Taoriana kely tamin’io andro io koa dia nisy mpianatra roa lahy niala tao Jerosalema, tamin’ny fo vonton’alahelo. Nanatona azy ireo Jesosy ary niresaka taminy. Hiteny izy ireo aoriana kelin’izany hoe : „Tsy nangorakoraka va ny fontsika, raha niresaka tamintsika teny an-dàlana Izy ka namoaka ny hevitry ny Soratra Masina tamintsika ?” (Lioka 24:32).
Ny harivan’io ihany dia tafavory tao amina trano iray ny mpianatra, ary malina ka nanidy mafy ny varavaran’ilay trano. „Tonga Jesosy ka nitsangana teo afovoany, dia nanao taminy hoe : Fiadanana ho anareo. Ary rehefa nilaza izany Izy, dia nasehony azy ny tànany sy ny lanivoany. Dia faly ny mpianatra, raha nahita ny Tompo” (Jaona 20:19-20). Nitondra fiadanana ho azy ireo Jesosy, dia fiadanana vokatry ny fampihavanana nataony tamin’ny rany teo amin’ny hazofijaliana (Kolosiana 1:20), fiadanana miaraka amina fifaliana tsy misy fangarony.
Mbola tamin’io andro io hatrany koa ny Tompo no nifanena tamin’i Petera (Lioka 24:34), fihaonana miafina teo amin’Ilay Mpampianatra sy ilay mpianany nandà Azy.
Eny, velona Jesosy, ary eo akaikin’ny olony. Eo afovoan’ireo mivory „amin’ny anarany” Izy (Matio 18:20 ; Asan’ny Apostoly 20:7). Mba iainantsika ve izany ?