Asabotsy 28 Marsa 2026
Izy (Jesosy)… nanambara taminy ny hevitry ny teny milaza Azy ao amin’ny Soratra Masina rehetra. Lioka 24:27
Nisy lehilahy Etiopiana… namaky teny tao amin’Isaia mpaminany… „Nentina hovonoina tahaka ny ondry Izy”… Ary Filipo … dia nanomboka teo amin’izany Soratra Masina izany, nitory an’i Jesosy taminy. Asan’ny Apostoly 8:27-28, 32, 35
Misy lahatsoratra ao amin’ny Baiboly, voasoratra taonjato maromaro talohan’ny nahatongavan’i Jesosy, lahatsoratra mampahatsiaro antsika, amin’ny fomba manaitra, ny fijaliany sy fahafatesany, araka ny maha fanatitra an-tsitrapo Azy.
„Tsy nanana endrika na fahatsaran-tarehy Izy ; ary raha nijery Azy isika, dia tsy nisy hatsaran-tarehy haniriantsika Azy. Natao tsinontsinona sy nolavin’ny olona Izy ; lehilahy ory sady zatra ny fahoriana, ary tahaka izay tsy tian’ny olon-kojerena akory Izy ; natao tsinontsinona Izy, ka tsy mba nahoantsika.
Nitondra ny aretintsika tokoa Izy, sady nivesatra ny fahoriantsika ; kanjo isika kosa nanao azy ho nokapohina sy nasian’Andriamanitra ary nampahorina. Nefa Izy dia voalefona noho ny fahadisoantsika, sy notorotoroina noho ny helotsika, ny fampijaliana nahazoantsika fihavanana no namelezana Azy ; ary ny dian-kapoka taminy no nahasitranana antsika. Isika rehetra dia samy efa nania tahaka ny ondry, samy efa nivily ho amin’ny làlantsika avy isika rehetra ; ary nataon’i Jehovah nihatra taminy avokoa ny helotsika rehetra.
Nampahorina Izy, nefa nanetry tena ka tsy niloa-bava, dia tahaka ny zanak’ondry entina hovonoina, sy tahaka ny ondrivavy izay moana eo anatrehan’ny mpanety azy —eny, tsy niloa-bava Izy. Ny fampahoriana sy ny fitsarana no nenti-nanaisotra Azy ; ary iza tamin’ny niara-belona taminy no nihevitra fa nofongorana niala tamin’ny tanin’ny velona Izy, ka ny fahadisoan’ny oloko no nikapohana Azy ? Ary nokasaina hatao tao amin’ny olo-meloka ny fasany (nefa teo amin’ny mpanankarena Izy, rehefa novonoina), na dia tsy nanao ratsy aza Izy, sady tsy nisy fitaka teo am-bavany.” (Isaia 53:2-9)