Zoma 27 Marsa 2026
(Hoy Jesosy :) Tsy maintsy ho tanteraka amiko izao voasoratra izao, hoe : „Ary Izy natao ho isan’ny mpanota”. Lioka 22:37
Nisy hazofijaliana telo natsangana tany Golgota, ho an’olona telo voaheloka ho faty. Teo afovoany no namantsihana an’i Jesosy, „Izay masina, tsy misy tsiny, tsy misy loto, voasaraka amin’ny mpanota” (Hebreo 7:26). „Natao ho isan’ny mpanota Izy”, araka ny nambaran’ny mpaminany (Isaia 53:12).
Tampotampoka teo, ny iray tamin’ireo olon-dratsy roa lahy voahombo teo amin’ny hazofijaliana, teo akaikin’i Jesosy, dia nahatakatra fa ny fahadisoany no naha teo azy, ka nanambara hoe : „Marina ny anamelohany antsika, satria mandray ny valin’ny nataontsika isika”. Ary koa, momba an’i Jesosy : „Fa ity Lehilahy ity kosa, tsy mbola nanao zavatra tsy mety, na dia kely akory aza” (Lioka 23:41). Ny nanamelohan’ny olona an’i Jesosy mantsy dia tena tsy an-drariny tokoa, tsy an-drariny mihitsy.
Tamin’io fotoana io koa anefa dia Jesosy, Ilay hany marina, Ilay Zanak’Andriamanitra, Izy irery ihany no afaka nizaka ny famaizan’Andriamanitra, famaizana sahaza ny fahotantsika, mba ho voafafa ireo. Koa noho ny tsy rariny nataon’ny olona sy ny fankahalan’izy ireo, dia voaheloka sy voahombo teo amin’ny hazofijaliana Izy, nanaiky hisolo toerana antsika, hizaka ny fitsaran’Andriamanitra, satria tia ny olona sy tia an’Andriamanitra. „Tonga voaozona hamonjy anay Izy”, satria voasoratra hoe : „Voaozona izay rehetra mihantona amin’ny hazo” (Galatiana 3:13 ; Deoteronomia 21:23).
Ilay jiolahy nibebaka dia nahafantatra fa afaka mamela ny helony Jesosy, ka nangataka taminy hoe : „Jesosy ô, tsarovy aho, rehefa avy amin’ny fanjakanao Ianao”. Dia namaly azy Jesosy hoe : „Anio no hihaonanao amiko any Paradisa” (Lioka 23:42-43). Mandraka ankehitriny, izay mitodika amin’i Jesosy sy afaka miteny an-kitsimpo aminy hoe : „Tsarovy aho, Tompo ô !”, dia mahazo io fampanantenana io koa, sy fiadanana ao am-pony.