Alakamisy 26 Marsa 2026

Tany amin’ny saha izay atao hoe Getsemane … Izy (Jesosy) dia talanjona sady ory indrindra (nihorohoro sady nitebiteby mafy Izy). Marka 14:32-33

Pilato … nitondra an’i Jesosy nivoaka … ka nipetraka … teo amin’ny fitoerana atao hoe Lampivato, fa amin’ny teny Hebreo Gabata. Jaona 19:13

Jesosy dia nentiny teo amin’ny tany Golgota, izany hoe, raha adika, Fitoeran-karandoha… Ary tamin’ny ora fahatelo no nanomboany Azy tamin’ny hazofijaliana. Marka 15:22, 25

 

Ny fijalian’i Jesosy

Getsemane — Gabata — Golgota

— Tao an-tsahan’i Getsemane, teo an-tendrombohitra Oliva, dia nivavaka Jesosy, feno tebiteby, tao anaty adim-panahy lehibe, ka nipotrapotraka tamin’ny tany tahaka ny ra ny hatsembohany (Lioka 22:44). Nanaiky ny sitrapon’ny Rainy Izy, ary niteny hoe : „Aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao” (Matio 26:39). Dia nanatona i Jodasy, ilay mpamadika, niaraka tamina vahoaka nitondra sabatra sy langilangy, mba hisambotra Azy.

— Teo Gabata, tribonaly romana, dia nanaraby an’i Jesosy ny miaramila nitangorona teo aminy. Mba hanambaniany Azy dia notafin’izy ireo lamba jaky ny lamosiny mihosin-dra. Nasiany satroka tsilo ny lohany. Ary farany dia nokapohiny ny lohany sy nororany ny tavany, alohan’ny hitondrany Azy hohomboana eo amin’ny hazofijaliana (Matio 27:28-30).

— Tany Golgota, toerana any ivelan’ny tanàna, fanatanterahana ny famonoana ho faty, dia noloahan’ny miaramila ny tongotra aman-tanan’i Jesosy (Salamo 22:16), ary nohomboan’izy ireo teo amin’ny hazofijaliana Izy, ho hitan’ny olona rehetra, mba hizaka ilay fampijaliana lavabe natao hahatonga ny fahafatesana (Matio 27:35-37).

Nijalijaly fatratra Jesosy, tany amin’ireo toerana telo ireo. Hontsa isika mahita Azy manaiky ny sitrapon’Andriamanitra, ho famonjena ny olona. Nefa niaretany ny fankahalana sy hasiahan’izy ireo, alohan’ny hanolorany ny ainy. Nozakainy ny fitsaran’Andriamanitra, ka nanomboka hatreo dia voavela heloka ireo izay mino Azy.

2000 taona atỳ aoriana, ireo kristiana mahatoky dia tia mihaona isan’alahady, mba hahatsiaro Ilay nijaly sy maty haha voavonjy azy ireo.