Alarobia 25 Marsa 2026

Hiainga aho, dia hody any amin’ny raiko ka hanao aminy hoe : Raiko ô, efa nanota tamin’ny lanitra sy teo anatrehanao aho. Lioka 15:18

(Hoy Jesosy :) Izay manatona Ahy dia tsy mba holaviko mihitsy. Jaona 6:37

 

Ny fanombanana ny fiainako

Ny fanoharana ny amin’ilay „zanaka adala” (Lioka 15:11-32) dia ampisehoan’i Jesosy ny asan’ny fanenenana tao amina zanaka tsy mendrika iray, sy ny fandraisana nomanin’ny rainy ho azy, ray izay maneho an’Andriamanitra.

Rehefa avy nandany tamin’ny fiveloman-dratsy ny lova rehetra notakiny tamin’ny rainy ilay zanaka faralahy, dia „nody ny sainy”, hoy Jesosy amintsika. Nanombana am-pahamarinana ny fiainany izy, tsy nanala tsiny ny tenany, ary nanapa-kevitra hiverina hody any aminy, hangataka hatao tahaka mpanompo. Nefa tsy nampoiziny ny fandraisan’ny rainy azy, namerina azy avy hatrany tamin’ny toerana feno haja maha zanaka.

Tsy nety niombom-pifaliana tamin’ny rainy ilay zanaka lahimatoa, tezitra ary nanambara ny fanombanany ny fiainany, izay noheveriny ho tena tsara. Ambonin’izany dia nokianiny ny rahalahiny sy ny fihetsika feno halemem-panahy nasehon’ny rainy… Nampahatsahivin’ny rainy azy tam-pitiavana ny fikarakarany azy nandritra ny taona maro, izay toa tsy noraharahainy, noho izy jamban’ny fahatsapany ho afa-po tamin’ny tenany. „Anaka, ianao eto amiko mandrakariva, ary anao avokoa izay rehetra ananako. Fa mety ny mifaly sy miravoravo ; fa ity rahalahinao ity … efa very, fa hita indray”.

Taomin’ny Tompo isika hanombana ny fiainantsika an-kitsimpo, tsy misy olakolaka, ary tsy mampitaha tena amin’olona heverintsika fa ratsy kokoa noho isika. Izy dia te hitondra antsika ho eo amin’Ilay Ray any an-danitra, Ray nasehony fa manana fo feno fahasoavana sy famindrampo, mandray ny mpanota mibebaka, ary mamela ny helony. Tahaka ilay ray ato amin’ity tantara ity, Andriamanitra dia maniry, ambonin’ny zava-drehetra, ny hiverenantsika aminy.