Talata 24 Marsa 2026
Nisy vehivavy anankiray narary roa ambin’ny folo taona… nankao ivohon’i Jesosy … ka nanendry ny somotraviavin-dambany. Lioka 8:43-44
[Nisy lehilahy iray jamba] niantso mafy … ka nanao hoe : Ry Jesosy, Zanak’i Davida ô, mamindrà fo amiko… Ary Jesosy nijanona. Lioka 18:38, 40
Ireo andinin-tSoratra Masina ireo dia maneho olona roa samy hafa. Ilay vehivavy dia saro-kenatra. Nijaly nitsi-dra nandritra ny fotoana ela izy. Rehefa nandalo Jesosy dia naniry hositraniny izy. Saingy tsy sahy nanatona. Sadaikatra angamba izy, hiaiky ampahibemaso fa nanana io karazan’aretina io. Tsy nahoany izany ! Nino izy fa mahay manasitrana azy Jesosy, na dia tsy afaka nanao afa-tsy ny nikasika ny moron-tongotr’akanjon’i Jesosy aza izy, tao anatin’ny vahoaka nihahohaho. Namaly ny finoany ny Tompo, ka sitrana teo no ho eo izy !
Nifanohitra tamin’izany kosa ilay lehilahy, naneho fahasahiana. Niantso an’i Jesosy mafy kokoa hatrany izy, tao anatin’ny tabataba. Nanandrana nampangina azy ny vahoaka, nefa tsy nisy na inona na inona nahasakana azy. Nesoriny ny akanjony ivelany, nitsangana izy ary nanatona an’i Jesosy, Izay nidera ny finoany. Sitrana teo no ho eo izy !
Sady mitovy no samy hafa ireo tantara roa ireo. Mitovy, satria nisy fifanenana tamin’i Jesosy, na teo aza ny sakana na fanoherana ; mitovy koa, satria samy niafara tamin’ny fahasitranana sy tamin’ny tenin’i Jesosy hoe : „Ny finoanao no nahasitrana anao”. Samy hafa kosa, satria tsy nitovy karazana ny sakana, ary tena samy hafa ny zava-nandrasana sy toetran’ireo olona roa ireo.
Ny olona tsirairay dia mila sitranina amin’ilay aretina mahafaty vokatry ny fandavantsika an’Andriamanitra, vokatry ny toetra maha mpanota antsika. Jesosy tamin’ny sorona nataony dia manolotra antsika ny famelan-keloka avy amin’Andriamanitra sy ny fanasitranana. Na am-pinoana miafinafina na miharihary kokoa, aza mangataka andro isika hanatonana Azy.