Alatsinainy 23 Marsa 2026
Jesosy … nandehandeha nanao soa sy nahasitrana izay rehetra azon’ny herin’ny devoly, satria Andriamanitra nomba Azy. Asan’ny Apostoly 10:37-38
Indraindray Jesosy dia nitokana mba hivavaka (Lioka 6:12), nefa koa asehon’ireo filazantsara antsika ho Ilay tsy sasatra manatona ny vahoaka, saingy tsy manery an’iza na iza. Tsy manenjika azy ireo Izy, tsy mihantsy azy ireo, ary tsy mitady laza any amin’izy ireo. Nefa tsy mandà ireo izay mankeny aminy, ary Izy tenany mihitsy no manatona izay olona tsy metimety.
Ohatra, Jesosy dia nifanena tamina lehilahy iray nanana ny zavatra rehetra ho an’ny tenany : tanora izy, manankarena, manam-pahalalana, tsy misy kianina… Saingy tsy nanana ilay zavatra fototra, dia ny aina omen’Andriamanitra ! Nijery azy tan-kamorampo Jesosy, tsy nanohitra azy, fa nanoso-kevitra azy hisokatra amin’ny hafa. Nandà ilay tovolahy… ary lasa tamin’alahelo (Matio 19:16-22).
Nifanena tamina vehivavy iray tsy manana fidiram-bola ihany koa Izy. Hitan’i Jesosy tao anaty vahoaka izy io, manirery, tena mahantra, ary nanome ho an’Andriamanitra ny rehetra nananany mba hivelomana. Tsy niteny na inona na inona taminy Jesosy, nefa nanasongadina mazava tsara ny nataony. Nanome farantsakely roa io vehivavy io, tahaka olona hafa tsy nanana „hatolotra” ho an’Andriamanitra afa-tsy fiainana efa potika, teny roa, sento tokana… Ankasitrahin’i Jesosy ny marika rehetra, hatramin’izay kely indrindra, hanatonana Azy (Marka 12:41-44).
Jesosy dia nanatona ihany koa vehivavy sy lehilahy tsy hita isa tototry ny olan’izy ireo avy : azon’aretina tsy hay sitranina, manana kilema, ampahoriana fanahy maloto, sns. Indraindray dia sitraniny avokoa izy ireo (Matio 4:23-24), indraindray vitsivitsy monja, noho ny tsy finoan’izy ireo (Matio 13:58). Nefa Izy dia mandray sy mihaino tsara, manatsotra ny tanany, ary manatanteraka fanasitranana anaty (Matio 9:2).