Alahady 22 Marsa 2026

(Hoy Mosesy tamin’Andriamanitra :) Mba ampahitao ny voninahitrao aho… — Tsy mahazo mahita ny tavako ianao ; fa tsy misy olona mahita Ahy ka ho velona. Eksodosy 33:18, 20

Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika ; ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra … feno fahasoavana sy fahamarinana. Jaona 1:14

 

Mahita ny voninahitr’Andriamanitra

Nangataka hahita ny voninahitr’Andriamanitra i Mosesy, nefa hentitra ny valintenin’Andriamanitra : tsy azo hatao izany, satria Andriamanitra dia masina, tsy mahazaka mijery ny ratsy (Habakoka 1:13). Araka izany, ny olona, izay zavaboariny, dia tsy afaka hahazaka ny hahita ny fiandrianan’Ilay Mpahary.

Nandritra ny taonjato maro anefa, Andriamanitra dia naneho ny tenany tamin’ny olombelona, saingy nitoetra ho tsy hita maso. Koa fihetsehampo toy inona moa ny antsika, mamaky ny fanambaran’i Jaona milaza ny nahatongavan’i Jesosy Kristy, hoe : „Ny Teny dia Andriamanitra… Ny Teny dia tonga nofo… ary hitanay ny voninahiny” (Jaona 1:1, 14). Jesosy Kristy dia „Ilay [Andriamanitra] naseho teo amin’ny nofo” (1 Timoty 3:16). Nony nangataka hahita ny Ray ny mpianany iray, dia novaliany hoe : „Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray” (Jaona 14:9).

Nony farany dia hitantsika io Andriamanitra nitoetra ho tsy hita maso nandritra ny fotoana ela io, rehefa niseho tao amin’Ilay Zaza Masina (Lioka 1:35), dia Jesosy Kristy, Ilay Zanak’Andriamanitra. Tao aminy no nahitantsika ny voninahitr’Andriamanitra. Voninahitra inona moa ? hoy angamba ianao. Eny ! Zavamiafina mahafanina… Ilay Andriamanitry ny lanitra sy ny tany dia nietry hatretỳ amintsika, tonga teo anivon’ny olona, ary tao amin’i Jesosy no nampisehoany ny toetrany : fitiavana sy fahazavana, fahasoavana sy fahamarinana, famindrampo sy fitsarana marina ; nanasitrana ny fahorian’izy ireo Jesosy, nitondra ny vesatry ny fahotan’izy ireo, nanafaka azy ireo tamin’ny fahafatesana, ary farany, nanome fiainana mandrakizay ho an’izay rehetra mino Azy.

Anio, izaho sy ianao izay manaiky hiantefan’ny tenin’Andriamanitra, dia afaka mibanjina, tsy ny fiandrianan’Ilay Andriamanitsika fotsiny, fa ny halehiben’ny fahasoavany tiany holovaintsika ihany koa.