Asabotsy 21 Marsa 2026
Jesosy namaly azy hoe : … Izay rehetra manota dia andevon’ny ota. Fa ny andevo tsy mitoetra ao an-trano mandrakariva ; fa ny zanaka no mitoetra ao mandrakariva. Koa raha ny Zanaka no hahafaka anareo, dia ho afaka tokoa ianareo. Jaona 8:34-36
Indraindray ireo lalana eo amin’ny tanànantsika dia mitondra ny anaran’olona fantatra tamin’ny fanoloran-tenany teo amin’ny lafiny ara-pôlitika, ara-miaramila, ara-tsiansa, na koa noho ny asa maneho herimpo nataony.
Tanàna maro any Frantsa no te hanome voninahitra ny kolonely Beltrame, izay nanolo-tena hisolo toerana takalon’aina iray, tamin’ny fanafihana tranombarotra lehibe tamin’ny 23 marsa 2018. Ora vitsy taorianan’izany dia namoy ny ainy izy. Hoy ny gazety iray tao an-toerana hoe : „Ity zandary ity dia maty mba hanavotra olona iray tsy fantany, satria lehilahy tsara… Maty izy mba hahafahantsika miaina an-kalalahana ankehitriny… Adidintsika manomboka izao ny mahatsiaro azy.”
Ara-drariny izany adidim-pahatsiarovana izany, ary mampandini-tena antsika. Na izany aza anefa, aoka isika androany mbola hihevitra Ilay Lehilahy iray, dia Jesosy, Izay nanao sorona ny ainy ho an’ny hafa ! „Nanolotra ny tenany ho avotra hisolo ny olona rehetra [Izy]” (1 Timoty 2:6). Izy irery, Ilay tsy manan-tsiny, no afaka ho faty hisolo toerana antsika, mba hahatonga antsika ho afaka ankehitriny (Galatiana 5:1).
Mety hisy hiteny angamba hoe : „Tsy mahakasika ahy izany ! Sady tsy takalon’aina aho no tsy voageja !” Fatorana maro anefa, tsy hita maso saingy tena misy, no manakana antsika tsy hanana ilay tena fahafahana andrandraintsika ao anatintsika lalina ao. Ireo fotokevitra mifehy izao tontolo ankehitriny izao dia mamatotra ny olona. Ny fitsiriritan’ny fontsika dia mahatonga antsika ho takalon’aina (Titosy 3:3). Isika dia mpanompon’ny ota (Romana 6:17), andevon’izao tontolo izao (Galatiana 4:3), ary azon’ny herin’ny devoly (Asan’ny Apostoly 10:38). Ndao hanaiky izany toerana misy antsika izany, ary handray ny fahafahana atolotr’Andriamanitra antsika, amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesosy Kristy, maty teo amin’ny hazofijaliana tany Golgota, ary nitsangana velona indray.