Zoma 20 Marsa 2026

Koa ny lalàna dia mpitaiza antsika ho amin’i Kristy, mba hohamarinina noho ny finoana isika. Galatiana 3:24

Ny ran’i Jesosy … no manadio antsika ho afaka amin’ny ota rehetra. 1 Jaona 1:7

 

Ny didy folo

Bernard dia nihevitra fa nifanaraka tamin’ny didy folon’ny lalànan’i Mosesy ny fiainany. Nihevitra izy fa olona mendrika haja, ary feno fanoloran-tena ao amin’ny fiangonana, nandeha nikonfesy tsy tapaka, ka nieritreritra fa afaka mankasitraka ny fiainany Andriamanitra. Dia nomen’ny anabaviny Baiboly izy. Nanomboka namaky izany izy. Rehefa tonga teo amin’ny Eksodosy toko faha-20 izy, dia nampiato azy ny andininy faha-15 manao hoe : „Aza mangalatra”. Tsy efa nisy zavatra nalainy tsy nahazoany lalana ve ? Angamba… Zavatra madinidinika fotsiny ihany ireny. Tena nangalatra ve izany ? Avy eo izy dia namaky ny andininy faha-16 hoe : „Aza mety ho vavolombelona mandainga hanameloka ny namanao”. Teo anatrehan’ny fitsarana izy, tsy nanao fanambarana tsy marina hanameloka olona na oviana na oviana. Nefa ve izy teo amin’ny asany tsy natetika nanaratsy ny namany, mba hanasongadinany ny tenany ?

Notohiziny ny vakiteniny : „Aza mitsiriritra ny vadin’ny namanao, na ny ankizilahiny, na ny ankizivaviny, na ny ombiny, na ny borikiny, na izay mety ho an’ny namanao akory aza”. Izy ve tsy nitsiriritra mihitsy ny fiarakodia tsara tarehin’ny mpiara-monina aminy, ny talenta ara-mozikan’ny sakaizany ao am-piangonana, ny karaman’ny mpiara-miasa aminy ?

Tonga saina i Bernard fa matetika no nandika ireo didy ireo ! Takany fa tsy afaka hankasitraka azy Andriamanitra, ka tsy nahazo aina mihitsy izy. Nony farany izy dia nanokatra ny fony tamin’ny anabaviny, izay niresaka taminy momba an’i Jesosy, maty teo amina hazofijaliana mba hisolo toerana antsika, mba hizaka ny sazy mendrika antsika noho ireo rehetra tsy fankatoavantsika. Nanaiky izany hafatra manambara ny fitiavan’Andriamanitra izany i Bernard, ary sambatra nandray ny famelana ny helony.