Alakamisy 19 Marsa 2026

Ianareo no epistilinay voasoratra ato am-ponay sady fantatra sy vakìn’ny olona rehetra ; eny, aseho ho epistilin’i Kristy izay entinay ianareo. 2 Korintiana 3:2-3

Kristy aza efa nijaly hamonjy anareo ka namela fianarana ho anareo, mba hanarahanareo ny diany. 1 Petera 2:21

 

Ny fiainako no hafatra ampitaiko

Tsara vakina : Jaona toko 1

Nanaitra ahy ny teny miloko mainty, nosoratana maimaika teo amina rindrina, hoe : „Ny fiainako no hafatra ampitaiko”. Lasa eritreritra aho, nampisaintsaina ahy io teny io. Eny, marina tokoa, ireo teny vitsivitsy ireo dia niainana lehilahy sy vehivavy maro nanolo-tena ho ana anton-javatra samihafa. Nefa io soratra io dia mitaona ahy hihevitra indrindra ny amin’i Jesosy Mpamonjiko :

— Eny, ry Tompo, tsara sy lavorary ny fiainanao. Ireo izay ory dia nahita fahasambarana sy fanafahana tao aminao. Ny jamba sy ny boka nahita ny zavatsoan’ny fitiavan’Andriamanitra azy ireo. Mazava ny hafatra nentin’ny fiainanao, ry Mpamonjy malala : Ilay Andriamanitra tonga olona dia mampamirapiratra ny fitiavany ny zanak’olombelona. Tena nazava sy nahitsy ny hafatra nentinao, hany ka tsy zakan’ny olona, ary dia nohelohiny Ianao. Hatrany amin’ny fahafatesanao, ry Tompo, dia feno ny hafatrao. Ny fahafatesanao dia hafatra nampitainao. Nanolotra ny ainao Ianao, ho avotra ho an’ny olona rehetra, izahay koa mba tokony hanolotra ny ainay ho an’ireo navotanao, ireo rahalahy sy anabavinay.

Ry Tompo Jesosy, Ianao no ohatra alain-tahaka ho ahy, izay mino Anao sy te hanaraka Anao. Ataovy manahaka Anao aho ankehitriny, aoka hazava ny hafatra ampitaiko, aoka ny fiainako ho „epistilin’i Kristy”. Eny, miaiky aminao koa aho fa matetika tsy mazava ny hafatra ampitaiko eo amin’ny manodidina ahy, satria mifangaro amina lohahevitra maro hafa mameno ahy, anisan’ireny ny vaovao andavanandro sy ireo adihevitra eo amin’ny fiarahamonina… Ampio aho, ry Tompo, hampita amin’ny alalan’ny fiainako sy ny teniko, sombiny amin’ny fitiavanao, sy ny hafatra milaza ny famonjena ao aminao. Mihoatra noho mpitondra hafatra, Ianao dia Ilay Mpamonjy izao tontolo izao !