Alarobia 18 Marsa 2026
Raha misy olona ao amin’i Kristy, dia olom-baovao izy ; efa lasa ny zavatra taloha, indreo, efa tonga vaovao ireo. 2 Korintiana 5:17
Na dia mihalevona aza ny toetranay ivelany, dia havaozina isanandro isanandro kosa ny toetranay anatiny. 2 Korintiana 4:16
Taoriana-na volana maro niainana tanaty ririnina mangatsiaka sy mando, dia mahafinaritra erỳ, isantaona, ny mahita voary velombelona indray, toy ny lazain’ilay lahatsoratra mahafinaritra ao amin’ny Baiboly hoe : „Fa, indro, lasa ny ririnina, ritra tsy misy intsony ny ranonorana ; miposaka eo amin’ny tany ny voninkazo ; tonga ny taona fanaovam-peo fifaliana, ary re atỳ amin’ny tanintsika ny feon’ny domohina. Ny aviavy mahamanitra ny voany tanora, mamony ny voaloboka ka mamerovero tsara” (Tononkiran’i Solomona 2:11-13). Eny, ny lohataona, izany no fihavaozana, taorianan’ny torimaso ririnina.
Mahatalanjona indrindra ny sarisarin’ilay marainan’ny Paska ! rehefa nivoaka avy tao am-pasana Jesosy. Ny tenany dia nampitahainy tamina voam-bary nafafy, izay maty mba hanome tsimoka mamoa (Jaona 12:24), fampanantenana aina ho an’ny zanak’olombelona ! Koa izay mitodika am-pinoana amin’i Jesosy Kristy dia „tafafindra niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana” (Jaona 5:24), tonga „olom-baovao” (Soratra Masina androany). Dia misondrotra indray ny fisiany, izay mitodika amin’ny Mpamonjiny.
Tsy mora mandrakariva tsy akory ny lalana : mifandimby ao ny lohasaha maloka sy tampon-kavoana mamiratra, ny fitsapana sy fifaliana. Fantatr’Andriamanitra ny ririninin’ny fisalasalantsika, tebiteby, faniasia. Koa miasa ao am-pontsika Izy, mba hanao izay hananantsika indray fifandraisana mahatretrika aminy, mba hampiaina antsika lohataona vaovao ! Na dia ao amin’ny harefon’ny fiainana madiva hifarana aza isika, dia ampanantenainy fanavaozana anaty tsy tapaka ny herintsika ara-panahy (Soratra Masina androany), ao anatin’ny fatokiana Ilay Andriamanitra nilaza hoe : „Mandra-pahafotsy volonareo, dia Izaho ihany no hisahirana mitondra anareo” (Isaia 46:4).