Talata 17 Marsa 2026
Aza mirehareha ny amin’ny ho ampitso ianao ; fa na dia ny havoakan’ny anio aza tsy fantatrao. Ohabolana 27:1
Ampianaro ny làlanao aho, Jehovah ô ; ary tariho amin’ny làlana marina. Salamo 27:11
Miaina ao anaty vaninandro anjakan’ny tsy ampoizina isika. Tamin’ny fiandohan’ny fihibohana voalohany noho ny valanaretina Covid (efa ho 6 taona lasa sahady izay !), dia nisy mpanao gazety iray nanoratra hoe : „Ny zavatra rehetra nalahatsika hatao dia nanjavona tsy tao anatin’ny alimanakantsika intsony”. Olona an’arivony no tsy maintsy nampiato ny asa aman-draharahany, tsy maintsy nofoanana ny dia, nikorontana ny fiainana ara-piarahamonina… Ahoana no hahazakana ireny teritery ireny ? nefa nohindrahindraina hatraiza hatraiza, ary mbola hindrahindraina ankehitriny, ny fiainana malalaka, tsy misy sakantsakana, mba hanatanterahana ny fanirian’ny tena manokana.
Tsy ho tsara amintsika ve ny miverina amin’izay efa nampianarin’ny Baiboly hatry ny ela ? „Ny fon’ny olona mihevitra tsara ny halehany ; fa Jehovah ihany no mahalavorary ny diany” (Ohabolana 16:9). Ambonin’ireo tetikasantsika, dia misy tian’Andriamanitra hatao ho an’ny zanak’olombelona. Mora hadinontsika fa Izy no iankinan’ny ny zavatra rehetra, indrindra fa ny fiainantsika. Ny apostoly Paoly dia niaina ny hoe mety ho voasakana tampoka ny lalana nosafidintsika araka ny fisainantsika manokana. Teny an-dalana ho any Damaskosy izy no voasakana, ary lavo tamin’ny tany noho ny hazavana lehibe nanelatrelatra (Asan’ny Apostoly 22:6-21). Nasehon’Andriamanitra azy fa tsy ilay tokony halehany no lalana nizorany.
Ary isika, lalana inona no arahintsika ? Mba tian’Andriamanitra hianatra miandry Azy isika (Salamo 27:14). Izy no Ilay Mpahary antsika, Ilay te hanasoa antsika. Nomeny antsika Jesosy, mba hanafaka antsika amin’ny fahamelohantsika eo anatrehany. Antsoiny isika hino Azy sy hiaina miantehitra amin’ny fahasoavany sy ny fikarakarany. Ndao haka tahaka ny fihetsik’i Paoly, nanontany taorianan’io tranga tsy nampoiziny io, hoe : „Tompoko, inona no hataoko ?” (Asan’ny Apostoly 22:10).