Alatsinainy 16 Marsa 2026

(Hoy Jesosy tamin’ilay vehivavy :) Izay rehetra misotro ity rano ity dia mbola hangetaheta indray ; fa na iza na iza no misotro ny rano izay homeko azy dia tsy hangetaheta mandrakizay ; fa ny rano izay homeko azy dia ho loharano miboiboika ao anatiny, ho fiainana mandrakizay. Jaona 4:13-14

 

Ny fiadanako no omeko anareo (11)

Tsara vakina : Jaona 4:1-30

Rehefa avy nilaza Jesosy hoe : „Ny fiadanako no omeko anareo”, dia nanamafy hoe : „Tsy tahaka ny fanomen’izao tontolo izao no fanomeko anareo” (Jaona 14:27). Inona no tiany nolazaina ? Misy tantara iray ao amin’ny Filazantsara, maneho an-tsary io teniny io :

Nipetraka teo amoron’ny fantsakana iray Jesosy, tamina antoandro nigaingaina, ary nisy vehivavy iray tonga hantsaka rano. Mampitony ny hetahetany ara-batana io rano io, nefa nangetaheta ihany koa ny fony. Nanambara Jesosy fa afaka manome azy rano hafa, rano hamaly izay ilain’ny fony, dia fiainana mandrakizay (Soratra Masina androany).

Tsipihin’i Jesosy ny fahasamihafan’ny rano avy ao amin’ny fantsakana sy ny rano omeny. Irỳ voalohany dia mampitony vetivety hetaheta miverimberina mandrakariva. Ity faharoa kosa manafaka ho mandrakizay ny hetahetan’ny fo, sady miampita amin’ny hafa. Tahaka ny rano avy ao amin’ny fantsakana, dia mihelina ihany ny zavatra omen’izao tontolo izao, ka mitoetra ho tsy afa-po isika. Mifanohitra amin’izany kosa, ny fiadanana omen’i Jesosy dia maharitra, mameno antsika dieny ankehitriny, ary ho mandrakizay.

Ankoatra izany, mahalana ihany no maimaimpoana ny zavatra omen’izao tontolo izao, fa amin’ny ankapobeny dia mitaky tambiny miafina. Izy Jesosy kosa dia tena manome maimaimpoana !

Farany, eo amin’izao tontolo izao dia matetika no mamoy zavatra ny olona manome. Fa ny fiadanana omen’i Jesosy ny olony kosa dia tsy mety ritra. Taominy izy ireo hiara-manana aminy ny fiadanana, ny fifaliana, ary ny fitiavan’ny Ray. Omen’i Jesosy ny zavatra rehetra ! „Fa tamin’ny fahafenoany no nandraisantsika rehetra, dia fahasoavana anampy fahasoavana” (Jaona 1:16).

(tapitra)