Alahady 15 Marsa 2026
Izy (Jesosy) dia nanetry tena ka nanaiky hatramin’ny fahafatesana, dia ilay fahafatesana tamin’ny hazofijaliana. Filipiana 2:8
Nianatra fanarahana tamin’izay fahoriana nentiny Izy (Jesosy), na dia Zanaka aza. Hebreo 5:8
Mbola niha nidina ambany kokoa hatrany ny dian’i Jesosy.
— nanaiky hatramin’ny fahafatesana. Jesosy dia tonga mba hanatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra, izany hoe hamonjy antsika (Hebreo 10:9). Nefa tsy maintsy novahana ny olana momba ny ota, izay nanasaraka antsika tamin’Andriamanitra. Ho amin’izany Jesosy dia tsy maintsy nisolo toerana antsika, niaritra ny fanamelohan’Andriamanitra. Rehefa natolotr’Andriamanitra an’i Jesosy ny „kapoaka”, izany hoe ny fahatezeran’Andriamanitra noho ny ota, izay hoentiny, dia niatrika ady mafy tao anaty Izy. Nangataka Izy hoe : „Raiko ô, raha sitrakao, dia esory amiko ity kapoaka ity ; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao” (jereo Lioka 22:39-44). Nampivarahontsana ny tebitebiny, nefa tsy mba nanombinana ny fankatoavany. Adama dia tsy nankatò, fa Jesosy kosa nankatò hatramin’ny fahafatesana.
— fahafatesana tamin’ny hazofijaliana. Ny fanomboana eo amin’ny hazofijaliana dia fampijaliana lozantany, nampiharin’ny Romana tamin’ny andevo sy ny olo-meloka ratsy indrindra ! Niteny Andriamanitra hoe : „Voaozona izay rehetra mihantona amin’ny hazo” (Galatiana 3:13). „Nataony [Nataon’Andriamanitra] ota” (2 Korintiana 5:21) sy nanjary „ozona” ho antsika : izany no hevitry ny hoe „fahafatesana tamin’ny hazofijaliana”, ho an’Ilay Zanak’Andriamanitra masina. Izany no hany fomba hanafahana antsika amin’ny ozona nitambesatra tamintsika, noho ny tsy fankatoavantsika an’Andriamanitra. Toy izany no niafaran’ny lala-midina nizoran’i Jesosy. Dia tsy hiraika ve isika ? amin’izany fiainana feno fitiavana sy fijaliana izany.
Izao no valiny avy amin’Andriamanitra : „Koa izany no nanandratan’Andriamanitra Azy indrindra, sy nanomezany Azy ny anarana izay ambony noho ny anarana rehetra, mba ho amin’ny anaran’i Jesosy no handohalehan’ny lohalika rehetra… ho voninahitr’Andriamanitra Ray” (Filipiana 2:9-11).
(tapitra)