Asabotsy 14 Marsa 2026
Nofoanany (Jesosy) ny tenany, tamin’ny nakany ny endriky ny mpanompo sy ny nahatongavany ho manam-pitoviana amin’ny olona ; ary rehefa hita fa nanan-tarehy ho olona Izy, dia nanetry tena. Filipiana 2:7-8
Ny Zanak’olona tsy tonga mba hotompoina, fa mba hanompo. Marka 10:45
Jesosy dia „nanana ny endrik’Andriamanitra”, ary nanafoana ny tenany. Nitohy nidina anefa ny lalany :
— nakany ny endriky ny mpanompo. Ho an’Ilay Zanak’Andriamanitra, Izay zatra notompoin’ny anjely marobe, ny hoe maka an-tsitrapo „ny endriky ny mpanompo” dia fahafoizantena toa tsy haintsika heverina. Andriamanitra dia ambonin’ny olona rehetra, manompo Azy avokoa ny zavaboariny rehetra. Jesosy anefa nanjary olona teo amin’ny toerany ambany indrindra, dia ny toeran’ny andevo. Niaina teo anivon’ny mpianany Izy, nanetry tena naka ny toerana mpanompo. Izy dia namidin’i Jodasy sekely volafotsy telopolo (Matio 27:9), vidina andevo iray.
— nahatongavany ho manam-pitoviana amin’ny olona. Tetỳ ivelany dia tsy nisy nampiavaka an’i Jesosy tamin’ny olona hafa. Na izany aza anefa, dia nisy fahasamihafana goavana teo aminy sy ireo mpiara-belona taminy : tsy nanana ota Izy. Marihin’ny Baiboly imbetsaka io fahamasinany tanteraka io : nanomboka tamin’ny naha torontoronina Azy (Lioka 1:35) sy nandritra ny fiainany manontolo (1 Petera 2:22 ; 2 Korintiana 5:21 ; 1 Jaona 3:5). Ary olona tsy manana ota ihany no afaka mamonjy olona mpanota !
— rehefa hita fa nanan-tarehy ho olona Izy. Ny endriny ara-batana dia toy ny an’olona tahaka antsika. Nanaiky ny fetran’ny toetra maha olombelona Izy, Izay Andriamanitra mandrakizay, manerana ny toerana rehetra ! Nahalala noana Izy, nangetaheta, sasatra, nandeha lavitra. Eny, tena olona tokoa Izy, teo anivon’ny olona ! Nefa tsy ampy izany. Fa mbola nidina ambany kokoa Izy !
(hitohy)