Zoma 13 Marsa 2026
Kristy Jesosy … Izay, na dia nanana ny endrik’Andriamanitra aza, dia tsy nataony ho zavatra hofikiriny mafy ny fitoviana amin’Andriamanitra, fa nofoanany ny tenany, tamin’ny nakany ny endriky ny mpanompo sy ny nahatongavany ho manam-pitoviana amin’ny olona. Filipiana 2:5-7
Ny lahatsoratra tanisaina etsy ambony dia mamintina ny lalana nodiavin’i Jesosy Kristy, manomboka amin’ny toerana niaingany, any amin’ny faratampony, ka hatrany amin’ny toerana nahatongavany, any ambany indrindra. Io no dian’i Jesosy „Izy tenany mihitsy”, nataony an-tsitrapo.
— nanana ny endrik’Andriamanitra : Ny Baiboly manontolo dia manambara ny maha Andriamanitra an’i Jesosy Kristy (Jaona 1:1, 14 ; Romana 9:5 ; 1 Timoty 3:16 ; Hebreo 1:8, sns.). Ny fiteny hoe „endrik’Andriamanitra” dia tsy milaza toetra ivelany tsy akory, fa manambara hoe zavamisy, tahaka zavatra azo tsapain-tanana, ny maha Andriamanitra an’i Jesosy.
— tsy nataony ho zavatra hofikiriny mafy ny fitoviana amin’Andriamanitra : Satana dia naka fanahy an’i Adama sy Eva, nilaza lainga hoe raha mihinana ny voan’ilay hazo voarara izy ireo, dia hanjary „tahaka an’Andriamanitra”. Tsy naharitra ny fakam-panahy izy ireo, satria te hisandratra ambony noho ny toerana misy azy ireo, te handrombaka (na hamikitra) ny fitoviana amin’Andriamanitra. Nifanohitra tamin’izany Jesosy, Izay Andriamanitra, nahafoy ny zony, ary tsy tonga hanorotoro ny olona amin’ny hery maha Andriamanitra Azy.
— fa nofoanany ny tenany : tsy hain’ny olona atao ny maminavina ny halehiben’Andriamanitra, Ilay Mpahary azy. Ny hoe Andriamanitra, ary manjary olona, dia midika hoe manjary toy ny tsy misy, toy ny zava-tsinontsinona ! Davida mpanjaka, izay nahatakatra ny halehiben’Andriamanitra, dia nanoratra hoe : „Jehovah ô… nataonao eny amin’ny lanitra ny voninahitrao… Inona moa ny olona, no ahatsiarovanao azy ?” (Salamo 8:1, 4). Jesosy no Ilay Jehovah niresahan’i Davida. Ninia nanjary olona Izy, nanafoana ny tenany !
(hitohy)