Alakamisy 12 Marsa 2026
Nisy vehivavy izay nanana fanahy mahafarofy valo ambin’ny folo taona, ary nanjoko izy ka tsy nahatraka akory… Jesosy dia niantso azy ka nanao taminy hoe : Ravehivavy, afaka amin’ny rofinao ianao. Lioka 13:11-12
Ary nisy lehilahy anankiray teo, izay efa narary valo amby telopolo taona… Hoy Jesosy taminy : Mitsangàna. Jaona 5:5, 8
Ny lahatsoratra roa tanisaina etsy ambony, nalaina avy ao amin’ny Filazantsara, dia mitantara fahoriana tena mampangirifiry.
Vehivavy iray… miondrika, tsy mahita afa-tsy ny tany, tsy afaka mitraka, efa nandritra ny 18 taona… Toerana mampamoy fo, satria tsy ahatsinjovana fahasitranana : miaina miforitra eo amin’ny tenany izy, mizaka irery ny fitsapana mihatra aminy. Nefa hitan’i Jesosy izy. Dia nantsoiny, toy ny hoe izy irery no hitany, ary nositraniny tamina fihetsika iray monja.
Ny an’ity lehilahy sembana dia mbola mafy kokoa. 38 taona izy no mandry, tsy afaka mihetsika. Nefa hitan’i Jesosy izy. Nandritra ny resaka fohy nifanaovan’izy ireo, dia nilaza izy fa tsy mba misy olona afaka manampy azy. Tsy nahita rirany izy, ankoatra ny fiainana maha sembana azy. Finoana ny tenin’i Jesosy no hahafahany mitsangana sy mandeha indray.
Ary ianao, hatramin’ny oviana no efa nandrasanao mba hisy tara-pahazavana ny faravodilanitra ? Hatramin’ny oviana no tsy nanananao an’iza na iza ? 18 taona ? 38 taona ? Mihoatra noho izany ? Na hafiriana na hafiriana, dia mahangirifiry ny fiandrasana toy izany, ary manam-potoana hakana toerana ny famoizampo.
Misy ohatra hafa mitantara fanasitranana, ao amin’ireo filazantsara, mampahatsiaro olona nankeo amin’i Jesosy, nitalaho mba hampiany. Ao amin’ny tantara roa etsy ambony dia Jesosy mihitsy no manao ny dingana hihaonana amin’ireo olona kilemaina.
Ny olona mpanota dia tsy afaka manao hetsika mihitsy hanatonana an’Andriamanitra. Ny miandry azy ? Fahafatesana mandrakizay, lavitra an’Andriamanitra. Koa manatona antsika Jesosy, mahafantatra tsara fa tsy misy antenaina ny momba antsika, ka tanana feno fitiavana no atsotrany amintsika : ndao handray izany, hino Azy, dia hisokatra eo anoloantsika ny faravodilanitra misy fahasambarana mandrakizay eo amin’ny fanatrehany !