Alarobia 11 Marsa 2026
Naniraka Ahy hitory fandefasana amin’ny mpifatotra Izy (ny Tompo), sy … hanafaka izay nampahorina. Lioka 4:18
Ho amin’ny fahafahana no nanafahan’i Kristy antsika. Galatiana 5:1
Marsa 2023. Nafahana i Jeffery W., Amerikana mpanasoa olombelona, natao takalon’aina nandritra ny enin-taona mahery, notanana am-ponja tamin’ny fomba faran’izay henjana tany Sahel, ka nandray azy am-pifaliana indrindra ny fianakaviany, ny namany, ary ny fireneny manontolo. Fananana sarobidy ny fahafahana, ary rehefa nesorina taminao vao fantatrao tsara ny lanjany. Mba hiarovany ny fahafahany ara-pôlitika na ara-pivavahana, dia olona maro no nahafoy ny sarobidy indrindra tamin’izy ireo : ny harenany, ny filaminany, ny lazany, ny fianakaviany, ny fahafahany, ny ainy.
Misy anefa fahafahana tsy afaka esorin’ny fonja, ary tsy afaka omen’ny vola aman-karena, dia ny fahafahana miteny hoe „eny” amin’Andriamanitra. Io fahafahana io dia mipoitra avy amina fihaonana iray : ny fihaonana amin’i Jesosy Kristy. Te hanafaka antsika Izy, te hanafaka amina fatorana mbola mafy kokoa noho ny fatoran’ny fonja, dia ny famatoran’ny ota sy ny fahafatesana.
Io fanafahana io dia ilaintsika rehetra. Satria isika rehetra, hatrany am-bohoka dia efa voagadran’ny fironan-dratsintsika, fitiavantena, avonavona. Isika rehetra, tamina fotoana iray, dia samy efa nanao izay fantatsika fa tsy mahitsy. Io fanafahana amin’ny ratsy io dia omen’Andriamanitra maimaimpoana an’izay mitoky amin’i Jesosy Kristy ! Ivon’ireo filazantsara ny fanambarana ny fanafahana notanterahiny.
Rehefa mandray an’i Jesosy Kristy isika no afaka ifotony, tsy hoe afaka amin’ny herin’ny ratsy fotsiny, fa amina fiainana mifantoka amin’ny tenantsika samirery koa. Tombontsoa manokana sy fifaliana lehibe ho antsika ny mandray ny Tompo.