Talata 10 Marsa 2026
Izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao. Jaona 17:3
Ry Yassine havako,
Ity misy tantara kely mety hanampy anao hahatakatra hoe nahoana no maha zava-dehibe aoka izany ny mahafantatra an’i Jesosy, mba hihaonana amin’Andriamanitra…
Mahalala tsara ny taniefitra midadasik’i Sahara ianao sy ny fianakavianao. Fa ho anay dia mafana loatra any amin’ny antoandro, ary mangatsiaka loatra amin’ny alina. Nefa dia lehilahy, vehivavy, ary ankizy maro no monina any. Misy izay rehetra ilain’izy ireo any an-taniefitra : rano, hanina, ho azy ireo sy ny biby fiompiny, ary fitafiana ihany koa… Ireo izay mahafantatra ny taniefitra dia mandray ny zavatra rehetra avy aminy ary mivelona aminy. Fa izay manao kinanga mankany kosa, nefa tsy mahafantatra azy, dia tandindomin-doza ho faty haingana any. Koa izaho ve izany tsy afaka hahafantatra ny taniefitra na oviana na oviana ?
Afaka ka ! mazava ho azy. Nefa tsy maintsy mifanena amina mponina tena touareg, niaina hatrizay hatrizay tany an-taniefitra, ary anisan’ny taniefitra. Miaraka aminy aho, afaka mandeha hatraiza hatraiza, tsy manan-tahotra. Hatorony ahy ny toerana hahitako rano sy hanina. Hampahafantariny ahy ny fianakaviany, ny tanànany, ny biby sy zavamaniry any an-taniefitra. Afaka mitsabo ahy koa izy, sy mahita ahy indray koa aza, raha toa nanalavitra azy aho.
Koa afaka mianatra mahafantatra ny taniefitra sy miaina any aho, ary mahita izay ilaiko any, noho ilay namako touareg. Antsoina hoe ilay „zanaky ny taniefitra” izy, satria ny mahafantatra azy dia midika hoe mahafantatra ny taniefitra.
Ny faniriako ho anao sy ny ankohonanao manontolo, ry Yassine havako, dia ny hahafantaranareo Ilay Andriamanitra namako, dia Jesosy. Ny mahafantatra an’i Jesosy, Izay mitovy toetra amin’Andriamantra, dia mahita an’Andriamanitra. Niteny Jesosy hoe : „Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray” (Jaona 14:9).