Alatsinainy 9 Marsa 2026
Rehefa tonga teo amin’ny tany atao hoe Ikarandoha izy, dia teo no namonoany an’i Jesosy… Ary hoy Jesosy : Raiko ô, mamelà ny helony, fa tsy fantany izay ataony. Lioka 23:33-34
Ny olona nitora-bato an’i Stefana, izay … nandohalika … ka niantso tamin’ny feo mahery hoe : Tompo ô, aza atao ho helony anie izao ota izao. Asan’ny Apostoly 7:59-60
Amin’ny sivy maraina ny andro, vao avy nohomboana teo amin’ny hazofijaliana Jesosy, teo anelanelana jiolahy roa. Nanaiky ny zava-drehetra Izy, noho ny fitiavany sy fankatoavany ny Rainy. Na teo aza ny fanaintainana mafy indrindra tao amin’ny vatany, dia tsy nitaraina mihitsy Izy, tsy nikomy tamin’ireo mpamono Azy. Ny fihetsika rehetra nataon’i Jesosy voahombo teo amin’ny hazofijaliana dia mampiseho ny fiadanana mitoetra ao anatiny.
Nefa fantatr’i Jesosy ny hadisoana goavana ataon’ilay vahoaka malalan’Andriamanitra. Nifanaraka tamin’ny mpanjana-tany romana io vahoaka io, manombo ny Mesiany, Izay nirahin’Andriamanitra ho eo aminy, ary tokony ho nanjaka. Izany ve tsy fahotana tsy azon’Andriamanitra avela ? Koa nivavaka Jesosy, nifona ho azy ireo tamin’ny Rainy, hoe : „Raiko ô, mamelà ny helony, fa tsy fantany izay ataony” (Soratra Masina androany). Fantatr’i Jesosy koa fa avelan’Andriamanitra atao io heloka bevava io, mba hahatongavany amin’ny tanjony, dia ny hanome Mpamonjy ho an’ny olona rehetra.
Taorianan’ny nahafatesany dia nitsangana velona indray Jesosy, ary niakatra any an-danitra. Nefa namela vavolombelona teto an-tany Izy, ka anisan’ireo i Stefana, izay mpino. Nanambara an’i Jesosy izy, feno fahendrena toy ny Mpampianatra azy (Asan’ny Apostoly 6:10). Napetrak’i Stefana teo amin’ny andraikiny manoloana an’Andriamanitra ny vahoaka sy ny mpitarika azy ireo, ka nisafoaka ary nitora-bato azy, izay feno fiadanana toa an’i Jesosy Mpamonjiny. Talohan’ny nahafatesany dia nifona ho an’ireo mpamono azy koa ilay maritiora voalohany. Tatỳ aorianany dia maritiora maro hafa no ho faty tam-piadanana tanteraka, teo am-pifonana ho an’ireo mpamono azy.
Mbola miseho indray, eo, ny fahamarinan’ilay tenin’i Jesosy hoe : „Ny fiadanako no omeko anareo”.