Alahady 8 Marsa 2026
Ny rany teo amin’ny hazofijaliana no nanaovany (nanaovan’i Jesosy) fampihavanana. Kolosiana 1:20
Ianareo izay lavitra fahiny dia efa nampanakeken’ny ran’i Kristy (nampanakekezina an’Andriamanitra). Efesiana 2:13
Ireto toejavatra roa mifanohitra :
— Abela, zanak’i Adama, dia mitsitra eo amin’ny tany. Vao avy novonoin’i Kaina zokiny izy. Niteny tamin’ilay mpamono olona Andriamanitra hoe : „Ny feon’ny ran’ny rahalahinao mitaraina amiko avy amin’ny tany. Ary ankehitriny dia voaozona ianao hiala amin’ny tany onenana, izay nivava hitelina ny ran’ny rahalahinao nalatsaky ny tananao” (Genesisy 4:10-11).
— Jesosy, Ilay Zanaka malalan’Andriamanitra, dia voahombo eo amin’ny hazofijaliana : maty. Nisy miaramila iray nandefona ny lanivoany, ka latsaka ny rany (Jaona 19:34).
Raha atao sariohatra : raisin’ny tany avy amin’ny tanan’ny olombelona ny ran’ny Zanak’Andriamanitra.
Mitaky valifaty ny ran’i Abela, ary miresaka ozona. Ary inona no ho fitenin’ny ran’i Jesosy ? Manao ahoana ny hitenenan’Andriamanitra amin’ireo namono ny Zanany ? Izao io fiteny io : „Ny ran’i Jesosy Zanany no manadio antsika ho afaka amin’ny ota rehetra” (1 Jaona 1:17). „Kristy nanavotra anay tamin’ny ozon’ny lalàna, satria tonga voaozona hamonjy anay” (Galatiana 3:13). Andriamanitra tsy nanozona, na nandroaka hanalavitra Azy, ireo izay namono ny Zanany ; manomboka izao Izy dia azontsika hatonina, ka manadio sy manome fiadanana an’ireo izay mino fa ny ran’i Jesosy, latsaka teo amin’ny hazofijaliana, dia mamitrana ho mandrakizay ny fihavanana eo amin’Andriamanitra sy ny olona (Kolosiana 1:20).
Ny fitenin’ny ran’i Jesosy izany dia tsara lavitra noho ny fitenin’ny ran’i Abela (Hebreo 12:24) ! Ny ran’i Jesosy dia milaza famelan-keloka sy fampihavanana. Tsy mitaky valifaty, fa manolotra famonjena maimaimpoana sy feno, ho an’izay mino an’i Jesosy. Ny ran’i Jesosy dia manambara avo sy mafy ny halehiben’ny fitiavan’Andriamanitra ny olona mpanota, izay fahavalon’Andriamanitra. Vaovao mahatalanjona anie izany e !