Asabotsy 7 Marsa 2026

Avy amin’i Jehovah no mahalavorary ny dian’ny olona, ka Izy no mankasitraka ny làlany. Na dia lavo aza izy, tsy dia mikarapoka, fa Jehovah no mitantana azy. Salamo 37:23-24

Ny fahoriana amin’izao andro ankehitriny izao dia tsy tokony hoharina amin’ny voninahitra izay haseho amintsika. Romana 8:18

 

Ny sandan-tohitra

Amin’ny mekanika, ny atao hoe sandan-tohitra dia ny fahafahana akora iray miaritra dona. Amin’ny haitoetra amam-panahy, dia ny fahafahana mizaka ny dona mafy mifandraika amin’ireo fitsapana eo amin’ny fiainana. Misy fijaliana ara-batana na ara-tsaina, na fahoriana, na fanontaniana isan-karazany mety mandifotra antsika. Aiza no hahitana vonjy ? Ahoana no hivoahana amin’ny tebiteby ? Ahoana no hiverenana indray ary hahitana tsirony indray eo amin’ny fiainana ?

Hoy ny Baiboly amintsika : „Raha reraka amin’ny andro fahoriana ianao, dia kely ny herinao” (Ohabolana 24:10). Tsapantsika, noho ny zavatra efa niainana, fa tsy manana hery ao anatintsika isika. Mora kivy isika. Nefa Andriamanitra tsy te hamela antsika ho tratran’ny hakiviana. Nampanantena Izy ao amin’ny Teniny, hoe : „Jehovah manohana izay rehetra efa ho lavo, sy mampitraka izay rehetra mitanondrika” (Salamo 145:14). Ny apostoly Paoly tenany mihitsy dia niaritra fahoriana maro teo amin’ny fanompoana ny Mpamonjiny. Novesarana mihoatra noho ny zakany izy (2 Korintiana 1:8), hany ka tsy nanantena ho velona intsony. Nefa dia afaka niteny koa izy hoe : „Noho izany koa no iaretako izao zavatra izao, ka tsy menatra aho, satria fantatro Izay inoako” (2 Timoty 1:12). Aminy, Andriamanitra dia tsy fiheverana manjavozavo, fa tena Rainy ifandraisany am-patokiana tanteraka. Ny sandan-tohitra nananany tao anaty fitsapana dia tsy avy amin’ny heriny anaty tsy akory, fa avy amin’ny vonjy hitany tao amin’Andriamanitra. Tonga saina izy fa mifamatotra amin’Ilay Andriamanitra Tsitoha sy mahatoky, Izay miaro azy isanandro. Fantany koa fa ny voninahitra ho avy, any an-danitra, dia mihoatra lavitra noho izay rehetra mety ho fahoriana ankehitriny.