Zoma 6 Marsa 2026

(Jesosy namaly ilay mpahay lalàna hoe :) „Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao, amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny herinao rehetra ary ny sainao rehetra” ; ary „Tiava ny namanao, tahaka ny tenanao”… Fa izy … nanao tamin’i Jesosy hoe : Iza ary no namako ? Lioka 10:27, 29

Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany. Jaona 15:13

 

Ilay Samaritana tsara fanahy

Ao amina tantara iray notantarain’i Jesosy (Lioka 10:30-37), ilay mpandeha voaendaka sy navela efa saika maty teo amoron-dalana dia maneho ny olona latsaka ao anatin’ny haratsiana sy ny fahoriana, very ary tsy manana loharanon-kery. Ireo mpivavaka roa lahy samy nandalo teo amin’io lalana io, ary nijery fotsiny ilay tra-doza, dia mampahatsiahy ny tsy fahombiazan’ny fanampiana ataon’ny antokom-pivavahana. Fa ilay Samaritana feno antra kosa, izay nijanona, nitsabo ilay naratra ary nahomby, dia maneho an-tsary ny fiahiana sy ny fikarakaran’Ilay Mpamonjy, dia Jesosy mihitsy, feno antra mba hanafaka antsika amin’ny toerana mampamoy fo misy antsika.

„Iza no namako ?” hoy ilay mpahay lalàna nanontany. Fanontaniana no nasetrin’i Jesosy azy, hoe : „Iza moa, amin’izy telo lahy, no ataonao ho naman’ilay azon’ny jiolahy ?”

Ndao hino fa Jesosy, Ilay Zanak’Andriamanitra, dia tonga tetỳ an-tany mba ho ilay „namana” tokana tsy maintsy raisintsika, mba ho voavonjy isika. Fietrena lalina toy inona moa, fitiavana manao ahoana ! Tonga hatramin’ny nanolorany ny tenany ho sorona teo amin’ny hazofijaliana Izy, noho ny fahotantsika ! Izy irery ihany no afaka nanao izany, manoloana ny fahamarinan’Andriamanitra.

Ary ankehitriny, amin’ny famakianao izao teny izao, mandalo eo akaikinao angamba Jesosy. Amin’izao fotoana izao indrindra Izy dia manatsotra ny tanany aminao. Te hanasitrana ireo ratranao anaty sy fahorianao Izy. Miaiky aho fa tsy haiko ny mitia ny namako tahaka ny tenako. Jesosy anefa dia namela ny baiko hoe : „Mandehana ianao, ka mba manaova toy izany koa”. Eny, ho naman’ireo izay mifanena amiko aho, raha mba mampiseho amin’izy ireo ny fitiavana nitiavan’i Jesosy ahy. Izy irery ihany no mahay manome ahy fahafahana mitia toy izany !