Alakamisy 5 Marsa 2026

Ny Tompo nitodika, dia nijery an’i Petera. Ary Petera nahatsiaro ilay tenin’ny Tompo nolazainy taminy hoe : „Raha tsy mbola misy akoho maneno anio, dia handà Ahy intelo ianao.” Ary nivoaka Petera, dia nitomany mafy indrindra. Lioka 22:61-62

 

Vavak’olona iray any am-pigadrana

„Tompo ô, Ianao Izay tia anay amin’ny maha izahay anay, fa tsy amin’izay nofinofisinay ho toetranay, ampio izahay hiaina miaraka amin’ny alokay sy ny hazavanay, ny halemem-panahinay sy ny hatezeranay, ny hehy sy ny ranomasonay, ny lasa sy ankehitrininay. Ataovy mifandray tsara toy ny andraisanao anay izahay, ataovy mifankatia toy ny itiavanao anay. Afaho amin’ny halavorary tianay hisehoana (amin’ny tenanay) izahay. Ampitodiho ho amin’ny fahamasinana tianao homena anay izahay… Tariho izahay hibebaka tahaka an’i Petera, nahatakatra ny dikan’ny fijerinao, antso mangina feno hamamiana. Ary raha tsy maintsy mitomany izahay, toa azy, dia aoka tsy ho noho ny avonavonay mangaihay, fa noho ny fitiavanao novingavingainay sy noratrainay.” Raha mibanjina ny tenako aho, araka ny ataoko indraindray, Matetika dia tsy misy afa-tsy henatra, tahotra ary hakiviana. Raha mibanjina ny hafa aho, hadisoam-panantenana firifiry moa, indraindray, no hitako, Omeo ahy, ry Tompo, ny tsy hijery afa-tsy Ianao, Ianao Izay nanolo-tena hamonjy ahy, Ianao Izay ahafahako manatona ny Ray, Ianao Izay mahatonga ahy ho lavorary, Ianao Izay ahafahako tsy hanota, Ianao Izay tia ny rahalahy sy anabaviko rehetra, Ianao Izay nanolo-tena ho azy ireo.

„Aoka isika koa hanaisotra izay rehetra mitambesatra amintsika, mbamin’ny ota izay malaky mahazo antsika, ary aoka isika hihazakazaka amin’ny faharetana, amin’izao fihazakazahana filokana napetraka eo anoloantsika izao, mijery an’i Jesosy” (Hebreo 12:1-2).