Alarobia 4 Marsa 2026

Minoa an’i Jesosy Tompo, dia hovonjena ianao. Asan’ny Apostoly 16:31

 

12 taona aho tamin’izay

Teraka tao amina ankohonana kristiana aho, ary efa fiainako hatrizay ny famakiana ny Baiboly sy ny vavaka. Nefa ny andinin-tSoratra Masina hoe : „Minoa an’i Jesosy Tompo, dia hovonjena ianao” no nampiova ny fiainako, rehefa 12 taona aho. Nipetraka tany Algérie izahay, taloha kelin’ny fahaleovantena. Ny harivan’ny 16 marsa 1962, tao anatin’ny toejava-doza nihatra tamin’ny firenena, dia very hevitra tanteraka aho, nitomany nanatona ny reniko, talohan’ny hatoriako. Nitalaho taminy aho hanampy ahy hiatrika ilay alina nampangorohoro. Tsy voafehiko intsony ny ranomasoko. Tsy afa-nihetsika aho, noho ny tahotra ny ho faty.

Nampahery ahy ny reniko, avy eo nandray ny Baiboliny ary namaky ny andinin-tSoratra Masina voalaza etsy ambony ; nasainy namerimberina namaky mafy azy io aho. Dia niara-nivavaka izahay hoe : „Misaotra, Andriamanitro ô ! noho ny fiahian’i Jesosy Kristy anay sy ny ankohonanay manontolo. Tsimbino ny ray aman-dreniko, ny rahavaviko, ary arovy izahay, ry Tompo Jesosy ô ! Mino Anao aho, atolotro anao ny foko izao hariva izao, aoka Ianao ho Mpiandry ahy ho mandrakizay. Amena”.

Teo no ho eo ihany aho dia nahatsapa tahaka fanatrehana teo anilako. Jesosy Kristy io nanatrika teo io. Dia toy izany no nidiran’i Jesosy tao am-poko, teo amin’ny fiainako, nanomboka tamin’io harivan’ny volana marsa 1962 io.

Misy olona mihevitra fa ny tahotra sy ny tebiteby no mitaona antsika hino an’Andriamanitra. Mamaly azy ireny aho, hoe niaina ny fanatrehany mamelombelona. Fantatro Izay ninoako, tamin’io hariva io, ary mbola inoako mandraka androany. Gilberte no anarako, efa maherin’ny 70 taona aho izao, ary mbola eto anilako mandrakariva Jesosy.