Talata 3 Marsa 2026

Fiainana mandrakizay no omen’Andriamanitra antsika, ary ao amin’ny Zanany izany fiainana izany. Izay manana ny Zanaka no manana ny fiainana ; izay tsy manana ny Zanak’Andriamanitra no tsy manana ny fiainana. 1 Jaona 5:11- 12

 

Fa ianareo kosa, manao Ahy ho iza ?

Indray andro Jesosy dia nanontany ny mpianany hoe : „Ataon’ny olona ho iza moa ny Zanak’olona ?” Notaterin’ny mpianatra tamin’i Jesosy ny valinteny nomena mpiara-belona samihafa : „Jaona Mpanao batisa… Elia… Jeremia… iray amin’ny mpaminany” (Matio 16:13-14). Ohatra ny mendri-kaja izany fitanisana izany, nefa dia mampiseho tsy fahafantarana velively ny halehiben’ny maha Andriamanitra an’i Kristy. Avy eo Jesosy dia nanontany mivantana ny mpianany, hoe : „Fa ianareo kosa, manao Ahy ho iza ?” (Matio 16:15). Namaly Azy i Petera mpianatra hoe : „Ianao no Kristy, Zanak’Andriamanitra velona” (and 16). Nahazo ny fankasitrahan’i Jesosy izy tamin’izany : „Sambatra ianao”, satria ny Raiko Izay any an-danitra no nanambara izany anao.

Napetraka tamin’ny mpianatr’i Jesosy io fanontaniana io, ary apetraka amintsika tsirairay koa. Inona no havalintsika ? Ny fiainantsika manontolo eto an-tany sy ny fisiantsika any ankoatra dia miankina amin’izay fiheverantsika an’i Jesosy. Afaka atao ny miresaka Azy, mihevitra Azy ho olona tsara, nampianatra fitsipi-pitondrantena miavaka. Nefa raha tsy mino isika fa Izy no Zanak’Ilay Andriamanitra velona, tonga tetỳ amin’izao tontolo izao mba hanolotra ny ainy ho antsika tsirairay, dia tsy misy lanjany ny fiheverantsika. Mino ve aho fa Jesosy dia maty ho ahy, manafaka ahy amin’ny fitsarana, ary manome ahy fiainana mandrakizay sy toerana miaraka aminy any an-danitra ?

Hoy Jesosy tamin’i Petera : „Sambatra ianao”. Eny, nino izany fanambaran’Andriamanitra izany izy. Fahasambarana anie izany e !