Alatsinainy 2 Marsa 2026
Izy (Jesosy)… nivavaka hoe : Raiko ô, raha azo atao, dia aoka hesorina amiko ity kapoaka ity ; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao… Raiko ô, raha tsy azo esorina ity, fa tsy maintsy hosotroiko, dia aoka ny sitraponao no hatao. Matio 26:39, 42
Nivavaka tao an-tsaha Getsemane Jesosy, ary niatrika ady mampangirifiry. Andriamanitra Ray dia nanolotra Azy kapoaka tsy maintsy hosotroiny, mba hamonjeny antsika. Io kapoaka io dia maneho an-tsary ny fotoana mampangorohoro tsy maintsy hiaretany ny fahatezeran’Andriamanitra noho ny ota, noho ireo fahotantsika. Nihorohoro Jesosy nieritreritra izany, feno tebiteby sy nivadi-po. Ny hoe misotro io kapoaka io mantsy dia midika fa ilaozan’Andriamanitra, heverin’Ilay Andriamanitra masina toy ny iheverany ny ota. Amin’ny fomba ahoana moa no hahafahan’i Jesosy, Ilay Zanaka masin’Andriamanitra, maniry izany ? Ahoana no hanekeny hisotro io kapoaka io ka tsy hahatsapany tebiteby lalina ? hany ka naniraka anjely mihitsy Andriamanitra hampahery Azy, ary ny hatsembohany tahaka ny ra nipotrapotraka tamin’ny tany (Lioka 22:43-44).
Nefa dia nekeny ny sitrapo lavorarin’ny Rainy (Soratra Masina androany). Tonga Izy mba hanao izany sitrapo izany, ary hanao izany hatramin’ny farany.
Nitsangana Jesosy rehefa avy nivavaka, ary niverina teo amin’ireo mpianany, izay natory. Niroso Izy, nivadihan’i Jodasy, ary nanaiky hofatoran’ny miaramila. Rehefa nikaviavia i Petera, nitady hiaro Azy, dia novaliany hoe : „Ny kapoaka nomen’ny Raiko Ahy, tsy hosotroiko va ?” (Jaona 18:11). Tsy nisy lonilony, fa fanoavana sy fiadanana no tao anatiny… Avy eo Izy dia nohomboana teo amin’ny hazofijaliana. Nosotroiny ilay kapoaka… Io tranga tokana tany Getsemane io dia mampianatra antsika fa ny fanekena tanteraka ny sitrapon’Andriamanitra no loharano lalina iavian’ny fiadanan’i Jesosy.
Ry kristiana, na oviana na oviana isika tsy hiatrika ady hay ampitahaina amin’ny ady natrehin’ny Mpamonjy. Nefa ao anatin’ireo fitsapana lalovantsika isika dia omen’i Jesosy ny fiadanany.