Alahady 1 Marsa 2026

Ny Zaza (Jesosy) dia nitombo ka nihahery sady feno fahendrena ; ary ny fahasoavan’Andriamanitra no tao aminy. Lioka 2:40

(Rehefa telopolo taona Jesosy) Nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe : Ianao no Zanako malalako ; Ianao no sitrako. Lioka 3:22

 

Nanomboka teo am-pahaterahana ka hatramin’ny faha-30 taona

Lioka mpanoratra filazantsara dia mitantara amin’ny antsipiriany ny nahaterahan’i Jesosy Kristy. Avy eo, mandra-pahafeno 30 taona Azy, Jesosy dia niaina fiainana miafinafina, ary saiky nangina avokoa ireo filazantsara ny amin’izany. Toejavatra tokana ihany no notantaraina : roambinifolo taona Jesosy tamin’izay (Lioka 2:41-52). Fantatsika ihany koa fa Jesosy dia nianatra ny asan’ny mpandrafitra, toa an’i Josefa (Marka 6:3).

Nahoana no nangina toy izany ? Jesosy Ankizy kely, nanjary Tovolahy, avy eo Olon-dehibe, dia nihalehibe tsy nanintona ny sain’ny olona. Nefa nandritra izany vanimpotoana izany Izy dia teo ambany fijery sy fankasitrahan’Andriamanitra, Izay nanara-maso ny fitondrantena sy asa nataon’io Ankizy io. Feno fanetrentena, nilamina ary nirindra ny fitomboany tao an-tokantranon’ilay mpandrafitra. Mitoetra ho zava-miafina tsy tokony hotadiavin’ny fahamaizantsika hahafantatra ny fomba nandiavan’Ilay Zanak’Andriamanitra, Izay niaina tahaka olona teo anivontsika, ny dingana nifanesy eo amin’ny fihalehibeazana. Nisy zavatra natokana ho an’Andriamanitra, tao amin’Io Olona tsy manam-paharoa Io.

Rehefa niomana hanao ny asa fanompoany ampahibemaso Jesosy dia nataon’i Jaona batisa. Tamin’izay dia nisokatra ny lanitra, ary nambaran’Andriamanitra ny fankasitrahany tanteraka Ilay mpandrafitra feno fanetrentena avy any Nazareta, Ilay Zanany Lahitokana sy malalany. Mbola nankasitrahin’Andriamanitra mandrakariva Izy, nandritra ireo telopolo taona ireo koa. Ny fiainan’i Jesosy tokoa mantsy dia nifanohitra tanteraka tamin’ny fiainan’ny olombelona amin’ny ankapobeny. Fanetrentena, fanoavana, fankatoavana, izany no tsy nisy tao amin’ny olona rehetra ; nony farany dia hitan’Andriamanitra izany : hitany tao amin’Ilay Zanany ! Koa ambaran’Andriamanitra fa Jesosy izany dia manana tanteraka ireo toetra tandrify hanao ny asa fanirahana nankininy taminy, dia ny famonjena ny zanak’olombelona.