Asabotsy 28 Febroary 2026

Raha tsy mbola miantso aza izy, dia hamaly Aho ; ary raha mbola miteny izy, dia hihaino Aho. Isaia 65:24

Izay rehetra manam-pananana amin’izao fiainana izao, ary mahita ny fahantran’ny rahalahiny ka mihirim-belona aminy, ahoana no itoeran’ny fitiavana an’Andriamanitra ao anatiny ? 1 Jaona 3:17

 

Nofy sy vavaka

Mike sy Reema dia misionera mpivady, nanorim-ponenana tany amina firenena iray any amin’ny helodrano Persika. Nifandray tamin’i Shareen izy ireo, ary niresaka matetika taminy momba ny vavaka. Koa nangataka mafy tamin’Andriamanitra ravehivavy io, mba hanasoavan’Andriamanitra ny ankohonany. Marary mafy ny vadiny, ary tsy manan-kohanina izy ireo indraindray…

Indray hariva dia nahatakatra ry Mike sy Reema fa tokony hanampy an’i Shareen, amin’ny fomba hita maso. Nanapa-kevitra izy ireo hanatitra harona maromaro feno sakafo ho azy, vao maraina be, mba tsy hisy hahita. Ny ampitso, rehefa nametraka ireo harona i Reema, dia nisokatra ny varavarana, ka indro izy nifanatrika tamina zazalahy iray niantso hoe : „Neny a ! Io i Reema !”

Nivoaka tao an-tokotany i Shareen, nanopy maso tamin’ireo harona nifanongoa ary nihoraka noho ny hafaliany. Hoy izy nanazava :

— Aninaraina aho dia raiki-tory ary nanonofy. Toy ny tena izy mihitsy, ka nihevitra aho hoe tsy natory ! Nampirina harona maro feno sakafo aho, teo amin’ny talantalan’ny lakoziako, izay foana tsy misy na inona na inona. Nahatsiaro sambatra aoka izany aho ! Saingy nony nifoha aho dia takatro fa hay nofy ilay izy, ary tsy nanana na inona na inona hatrany izahay… dia nitomany indray aho. Tamin’io fotoana io aho dia nahatsiaro ny resatsika omaly hariva. Koa nivavaka tamin’Andriamanitra aho. Nangataka taminy aho mba hanomezany anay harona feno sakafo hapetrako eo amin’ireo talantalana. Toy ilay tao amin’ny nofy. Vao vita ny vavaka nataoko, dia reko ny zanako niantso ahy. Ary rehefa nivoaka aho, dia io ianao… niaraka tamin’ireo harona !

Teo no ho eo dia heniky ny hafaliana ihany koa i Reema, ka niara-nisaotra an’Andriamanitra teo an-tokotany izy roa vavy. Tatỳ aoriana Andriamanitra dia naneho ny tenany tamin’i Shareen sy ny ankohonany koa.

(araka an’i R. Goode)