Zoma 27 Febroary 2026

Avy any atsimo ny tadio, ary entin’ny rivotra avy any avaratra ny hatsiaka. Joba 37:9

Izy (Paoly sy Barnabasy) nampahery ny fanahin’ny mpianatra ka nananatra azy haharitra amin’ny finoana, sady nilaza fa tsy maintsy ho amin’ny fahoriana be no idirantsika amin’ny fanjakan’Andriamanitra. Asan’ny Apostoly 14:22

 

Nahoana no misy ny zava-tsarotra

Mety tena hanirikiry ny rivotra avy any avaratra, amin’ny ririnina, na ny tsio-drivotry ny lohataona. Na izany aza anefa dia matetika no ilain’ny voary izany rivotra izany. Manamaina ny tany izy, ka mampisy vohon-tany mafy eo amboniny, koa mila hery ireo voa isan-karazany afafy rehefa fararano, mba hamaky io vohon-tany io. Nefa ny zavamaniry mahavaky io sakana io dia hatanjaka kokoa sy hamoa betsaka kokoa.

Izany dia sary tsara maneho ireo dingana amin’ny fitomboana ara-panahy. Ampiasain’ny Tompo Jesosy ireo sakana sy zava-tsarotra sedrain’ny tsirairay eny amin’ny lalany, mba hamelombelona ny fiainana kristiana. Rehefa mifofofofo ny rivotra, dia mihamatanjaka ny ao anatintsika ; rehefa sedrain’ny fanoherana na tranga tsy ampoizina eo amin’ny fiainana ny finoantsika, dia mihamafy ny fifandraisantsika amin’ny Tompo, ary manjary mahery ao aminy isika.

Araka izany ny kristiana dia tsy afa-miala amin’ireo fitsapana eo amin’ny fiainana. Tsy mamakivaky ireny samirery izy, fa ao anaty fifandraisana akaiky amin’Ilay mamela azy ireny hitranga. Ny fatokiany sy fanantenany ny tsy fiovaovan’Andriamanitra dia mameno fiadanana azy, ary hafaliana mihitsy aza, rehefa tsapany ireo fanafahan’Andriamanitra.

„Izany no iravoravoanareo, na dia ampalahelovina vetivety ankehitriny amin’ny fakam-panahy maro samihafa aza ianareo, raha tsy maintsy hisy izany, mba ho hita ho fiderana sy voninahitra ary fankalazana ny fizahan-toetra ny finoanareo (izay tsara lavitra noho ny volamena mety ho simba, na dia voazaha toetra tamin’ny afo aza), dia amin’ny hisehoan’i Jesosy Kristy” (1 Petera 1:6-7).