Alakamisy 26 Febroary 2026
Akaikin’izay manana fo mangorakoraka Jehovah, ary mamonjy izay torotoro fanahy. Salamo 34:18
Ny fo torotoro sy mangorakoraka, Andriamanitra ô, tsy mba ataonao tsinontsinona. Salamo 51:17
Jehovah no Mpiandry ahy… Mamelombelona ny fanahiko Izy. Salamo 23:1, 3
Nandehandeha teny afovoan-tanàna aho no nahatsikaritra toerana iray fanamboarana zavatra simba. Teo amin’ny fitaratra anoloana dia nisy takelaka lehibe milaza hoe : „Amboarinay ny zavatra rehetra… afa-tsy ny fo maratra !”
Kristiana àry ve ilay tompony, sa mba te hanao vazivazy fotsiny ? Tsy fantatro, nefa ilay takela-pamantarany dia nampahatsiahy ahy avy hatrany hafatra iray hafa, miantefa amin’ireo rehetra lazain’io mpanamboatra ny simba io hoe tsy afaka horaisiny ao amin’ny toeram-piasany : „Jehovah… mahasitrana ny torotoro fo … sy mamehy ny feriny” (Salamo 147:2-3).
Anisan’ireny ve ianao ? Angamba ianao namoy olon-tiana ? na vao nahare vaovao mampivarahontsana ? na koa vao avy naratra-na fahadisoam-panantenana ara-pitiavana ? na nafoin’ny fianakavianao ?
Amin’izay Jehovah, Ilay Andriamanitra lehibe, Andriamanitry ny lanitra sy ny tany, dia te ho eo akaikinao, indrindra amin’ireny fotoan-tsarotra ireny. Fony tetỳ an-tany Jesosy dia tia nanatona olona nalahelo, nanirery, very hevitra. Nampionona mpitondratena vao namoy ny zanany lahitokana Izy, nanasitrana marary, niresaka tamina olona iray tojo tsy fahombiazana maro aoka izany teo amin’ny fiainany, ka niafina rehefa haka rano teo am-pantsakana (Jaona 4:7-18)… Niaina teto amin’ity tany ity Jesosy, ary mahafantatra tsara ireo fijaliana mety mianjady amintsika. Efa torotoro fo koa Izy (Salamo 69:21). Fantany sy takany ireo fijalianao. Manatòna an’i Jesosy, amin’izao maha ianao anao izao, ary tantarao Azy ny zavatra rehetra, fa ho hainy ny manamboatra ny fonao torotoro.